Moramanga: Hisitraka « Vatsy Tsinjo » ireo tena marefo ho fiatrehana ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19

  • mardi, 19 mai 2020 22:11
  • Sary nomena

Distrika ahitana tranga Covid-19 maro i Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro. Minisitra maromaro no nanao rodobe taty an-toerana androany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, nanome toromarika ny solontenam-panjakana sy nanentana ny fiaraha-miasan’ny rehetra, indrindra eo amin’ny fanentanana ny olona hanatanteraka ireo fepetra mihatra amin’ny hamehana ara-pahasalamana, tahaka ny fampihenana ny fifamezivezena mba hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina, raha tsy misy antony manokana voamarina mazava.

Hentitra ny Praiminisitra nilaza fa ny refy ahafahana mamaritra ny fahombiazan’ny paikady napetraka dia ny fifehezana ny tahan’ny “cas positif” sy ny olona misy ny soritr’aretina.

Nanome toromarika ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Faritra, indrindra fa ny ao amin’ny Distrikan’i Moramanga, ny Praiminisitra amin’ny fananganana ny komity Loharano, ary tsy ho ela dia apetraka ny « Vatsy Tsinjo » ho fanampiana ireo tena marefo ho fiatrehana ny fiantraikan’izao valanaretina izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.