Faritra Androy: Manolo-tanana amin’ny ady amin'ny Coronavirus ny fikambanam-behivavy HETSORO

  • jeudi, 09 avril 2020 21:11
  • Sary: Centre Opérationnel Covid-19 Région Androy

Mampiseho ny fahaizamanaony amin'ny fanamboarana aro-vava ho an'ny Vahoaka ato amin’ny Faritra Androy ny Fikambanam-behivavy "HETSORO" eto Ambovombe.

« Misy fikambanana maromaro sy olontsotra manafatra anay, ary amin'izao fotoana izao izahay dia mamboatra aro-vava mihoatra ny 300 isa isan’andro. Amidy amin'ny vidiny mirary ary misy loko isan-karazany. Sady manome lanja ny vita Malagasy no voaaro amin'ny valanaretina », hoy ramatoa Pulchérie.

« Ny tanjonay dia ny hitondranay ny anjara-birikinay amin'ny ady amin'ity Coronavirus ity » hoy izy.

(Sary: Centre Opérationnel Covid-19 Région Androy)

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.