Coronavirus: Nanome 1 miliara dolara i Jack Dorsey hiadiana amin’ny fihanaky ny Covid-19

  • mercredi, 08 avril 2020 13:54
  • Sary nindramina

Mpamorona ny tambazotra sosialy Twitter i Jack Dorsey, 28% ny fananany, izay tombanana eo amin’ny 3,3 miliara dolara ity arotsany ho fandraisany anjara amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina manerantany Covid-19.

Raha voafehy io valanaretina io, dia halefa hanantevenana ny famatsiam-bola ny sehatry ny fahasalamana, ny fampianarana ny ankizivavy ary koa ny « revenu universel» ny vola, hoy i Jack Dorsey.

100 tapitrisa dolara ny fanampiana ara-bola nomen’i Jeff Bezos, tompon’ny orinasa Amazon izay voalaza fa mpanankarena indrindra manerantany, hiadiana amin’ny coronavirus.

25 tapitrisa dolara no nomen’i Mark Zuckerberg, namorona ny Facebook, sy Priscilla Chan vadiny, ho fanohanana ny fikarohana amin’ny fitsaboaka hiadiana amin’ny coronavirus.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.