Coronavirus: Anjaitra takom-bava ho an'ny mpiara-miasa sy ny fanjakana ny orinasa AKANJO et ROVA CAVIAR MADAGASCAR

  • mardi, 24 mars 2020 14:05

Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia nanapa-kevitra ireo mpanorona ny orinasa AKANJO et ROVA CAVIAR MADAGASCAR fa ampiasa ny fitaovana eo ampelatanany hanamboatra ary anolotra takom-bava na masque ho an'ireo mpiara-miasa aminy, ny fianakavian'izy ireo, ny manodidina ary ho an'ny mpitondra fanjakana.

Izany takom-bava izany dia amboarina miainga avy amin'ireo tapa-damba, atao teviny 3, azo sasana ary azo ampiasaina matetika.

Hatreto dia tsy nahazo ny fankatoavana manara-penitra iraisam-pirenena ity takom-bava ity, fa tsapan'ireo mpanorona ny orinasa AKANJO et ROVA CAVIAR MADAGASCAR anefa fa mety ilaina izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.