Coronavirus: Nidina ifotony nandrara ireo hetsika famoriam-bahoaka ny Polisim-pirenena

  • samedi, 21 mars 2020 13:12
  • Sary: Polisim-pirenena

Nidina teny Ankadindratombo, Kaominina Alasora, Distrika Antananarivo Avaradrano ny Polisim-pirenena, androany maraina, nandrara ireo hetsika mahavory vahoaka toy ny tao amin'ny Fiangonana iray. Izany dia ho fanatanterahana ny fepetra noraisin'ny fitondram-panjakana amin'ny tsy tokony hisian'ny hetsika famoriam-bahoaka manoloana ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.

Hidina eny amin'ireo tsena maro samihafa sy ireo toeram-pivarotana isan-karazany ihany koa ny Polisim-pirenena hisoroka ny mety ho fanararaotana amin’ny endriny samihafa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.