Rodobe ho an'ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy: Nitohy androany taty Vinaninkarena ny hetsika

  • lundi, 02 mars 2020 15:43
  • Sary: Ministeran'ny Mponina Madagasikara

Mitohy ny Rodobe ho an'ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy. Hetsika natao ho fanomanana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy.

Taty amin'ny Kaominina Vinaninkarena, Distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra no natao ny hetsika androany 2 martsa 2020.

Nizara lay hoan'ireo vehivavy lehibe sy mitaiza kely ny Ministeran'ny Mponina, ary nanao fanentanana mahakasika ny ady amin'ny herisetra sy ny zon'ny vehivavy ary ny miralenta. Nisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana sy ny toro-hevitra momba ny fahasalamana, ary ny fitiliana ny homamiadan'ny nono, ny vozon'ny tranon-jaza,ny diabeta, ny VIH-SIDA ary ny tazomoka.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.