« Subventions des enseignants »: Mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina maherin’ny 34 500 no hisitraka

  • lundi, 02 mars 2020 15:32
  • Sary Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa

Mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina maherin’ny 34 500 manerana ireo Faritra 22 no hisitraka fanampiana ara-bola na « subventions des enseignants », ary sekoly tsy miankina miisa 1 670 no ahazo ny « Allègement des charges parentales » na fanamaivanana ny vesatr’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ho an’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana.

Anisany masontsivana napetraka ahafahan’ireo sekoly tsy miankina misitraka ireo fanampiana ireo ny fananana saram-pianarana latsaky ny 800 Ar, ny fananan’ny mpampianatra fahazoandalana hampianatra (Attestation d’Enseigner), ny fananan’ny sekoly fahazoandalana hisokatra (Attestation d’Ouverture).

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fizarana ny taratasim-bola ho an’ny faritra Analamanga ary hitohy manerana ny nosy izany.

(Loharanom-baovao: Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa)

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.