Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina: Nomen’ny CS FOP rariny ireo mpiasa noroahina

  • mardi, 24 septembre 2019 23:10
  • Sary nindramina

Nahazo rariny teo anatrehan'ny CS FOP (Conseil Supérieur de la Fonction Publique) ireo mpiasa noroahina tato amin’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina taorian’ny Tagnamaro voalohany notanterahin’ny ministera teny amin’ny hopitalin’i Mahitsy – Ambohidratrimo tamin’ny sabotsy fahatelo ny volana martsa 2019.

Nivoaka ny fanapahana manery ny ministera hanafoana ny naoty mandroaka ireo mpiasa ireo, ka hamerina azy ireo amin’ny asany. Folo mahery izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.