Tetikasa « Base Toliara »: Nandefa taratasy misokatra ho an'ny Filohan'ny Repoblika Malagasy ny CRAAD-OI

  • samedi, 14 septembre 2019 19:09

Nanao fanairana maika ny Filohan’ny Repoblika ny CRAAD-OI (Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives au Développement - Océan Indien) tamin’ny taratasy misokatra nataony androany 14 septambra 2019, mahakasika ny "radioactivité" ao Ranobe izay itrandrahan’ny tetikasa Base Toliara fasimainty ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana mba ahazoana ilmenita (« ilménite »), sy zirkôna (« zircon ») ary rotila (« rutile »).

« Tandindomin-doza ny Fokonolona », hoy ny taratasy, « noho ny mety ho fiantraika mamoheha-dozan’ity tetikasa ity aminy, koa miandry ny fanambaràna amim-pomba ofisialy » avy amin’ny filohan’ny Repoblika « ny hanohizana na hampijanonana ny tetikasa, satria mandritra izany fiandrasana izany dia manohy ny asany am-pianjonanjonana ireo mpitantana azy ».

« Tsy azo leferina ny famelana ny orinasa renin’ny Base Toliara hampihatra amin’ny olom-pirenena Malagasy tahana "radioactivité" raràn’ny firenena hafa any aminy », hoy hatrany ny taratasy.

Manaitra ny Filohan’ny Repoblika ny CRAAD-OI « tsy hilatsaka ho tompon’andraikitry ny fanohitohinana mahery vaika ny zo ho salama sy hiaina ananan’ny Fokonolona manamorona ny tetikasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany ao Ranobe, ary hajao ny velirano izay vao naverinao natao teo anoloan’ny Papa François sy ny Firenena manontolo ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.