Sociale

    • samedi, 28 mars 2020 22:16
    • Photos Fournies

    Analyses COVID-19: L’Institut Pasteur confirme les chiffres officiels

    Le Président Andry Rajoelina a visité l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ce 28 mars 2020. Le Chef de l’État a tenu à constater de visu les processus de réalisation des tests effectués au laboratoire de l'IPM pour le dépistage du coronavirus. Durant cette descente, le Directeur général de l’Institut Pasteur de Madagascar, Professeur André SPIEGEL a réaffirmé la fiabilité des résultats des analyses réalisés au sein de leur laboratoire. Le processus et les résultats sont conformes aux protocoles internationaux en vigueur. L’IPM a également certifié que le nombre de cas déclarés au niveau du Centre de Commandement Opérationnel COVID-19, symptomatiques et asymptomatiques, correspondent exactement aux donnés émanant de l'IPM.
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mars 2020 14:23
    • Sary nindramina

    Vatsy Tsinjo: Misitraka ny fanampiana ireo mpamily Taxi, Taxibe ary resevera

    Natomboka androany sabotsy 28 marsa 2020, teo amin’ny faritra malalaka, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo ny fizarana fanampiana anatin’ny tetikasa « Vatsy Tsinjo », ho fanampiana ireo mpamily Taxi, Taxibe ary resevera voasokajy ho isan’ireo marefo ara-pivelomanana taorian’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny hampiato ny fivezivezen'izy ireo eto Antananarivo sy ny manodidina, ho fampiharana ny fahamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mars 2020 14:14
    • Sary: MESUPRES

    « Vatsy TSINJO »: Nahazo ny anjarany ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny oniversite Mahajanga sy Fianarantsoa

    Misy ireo nody namonjy ny fianakaviany, misy ireo mpianatra lavi-podiana manomana fanadinana. Tsy nanadino ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny oniversite ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, tarihin’i Pr Assoumacou Elia Beatrice, amin'izao fotoan-tsarotra diavin'ny firenena izao. Nisitraka izany ireo mpianatra ao amin'ny oniversiten’i Mahajanga ny 27 martsa 2020, nahitana vary, menaka sy voamaina. Nisitra izany koa ireo mpianatra any amin'ny faritra samihafa toy ireo ao amin'ny oniversiten’i Fianarantsoa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 mars 2020 19:54
    • Sary: Ministeran’ny mponina

    Kaominina Mahitsy - Kaominina Anosiala: Zokiolona miisa 343 nahazo tohana ara-tsakafo

    Nitohy tany amin’ny Distrika Ambohidratrimo ny fizarana fanomezana avy amin'ny filoham-pirenena ho an’ireo zokiolona. Tao amin’ny Kaominina Mahitsy dia zokiolona miisa 150 no nisitraka izany, nahitana vary, menaka, sira, macaroni sy fanampi-tsakafo maro samihafa. Niisa 193 kosa izy ireo tao amin’ny Kaominina Anosiala. Nifarimbona nanatontosa ny fizarana ny avy amin'ny Minisiteran'ny Mponina, ny DASP (Directeur des Affaires sociales et politiques de la Présidence) ary ny Association Fitia no nanatitra izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mars 2020 15:25
    • Sary: MEDD

    IMRA Ratsimamanga: Namokatra fanafody manamafy ny hery fiarovana ao amin’ny vatana hiatrehana ny coronavirus

    Hita ankehitriny ny fanafody manampy ary manamafy ny hery fiarovana ao amin’ny vatana hiarovana amin’ny coronavirus. Vokatry ny fikarohana nataon’ny IMRA (Institut Malgache de Recherches Appliquées) Ratsimamanga etsy Avarabohitra Itaosy-Antananativo no nahazoana ity fanafody ity, izay azo avy amin’ireo zava-maniry misy eto Madagasikara ihany. Efa natao andrana ity fanafody ity ary hita fa mahomby, ary nahazo alalana avy amin’ny fanjakana malagasy sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana OMS. Noho izany dia hotsinjaraina amin’ireo toerana fivarotam-panafody izy ity mba hahafahan’ny rehetra manjifa azy. Izao vokatra navoakan’ny IMRA izao no manaporofo fa tena ilaina ary atao laharam-pahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ireo zava-maniry misy eto amintsika satria sady harena no miantoka ny fahasalamana ihany koa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mars 2020 15:10
    • Loharanom-baovao: Région Menabe

    Fonjaben’i Morondava: Nanolotra « spiruline » ho an’ireo voafonja ny Evekan'ny Diosezy Morondava

    Tonga nanolotra « spiruline » ho an’ireo voafonja ao amin’ny Fonjaben’i Morondava ny solontenan’ny Monseigneur, Evekan'ny Diosezy Morondava, ny alarobia 25 marsa 2020, mba ho fanamafisana ny hery fiarovan’ireo voafonja ho fisorohana ny valan’aretina « coronavirus ». Misy fandraisana fepetra maromaro noraisin’ny tompon’andraikitra ao amin’ity Fonjaben’i Morondava ity mandritran’izao hamehana aram-pahasalamana amin’ny ady atao amin’ny aretina « coronavirus » izao. Tsy azo atao intsony ny mamoaka na mampiasa ireo voafonja ho aty ivelany, ferana araka ny tokony ho izy ny fivezivezena ho an’ireo mpiandry fonja. Atoka-monina mandritran’ny 14 andro avokoa ireo voafonja vao tonga. Najanona ny famangina ireo voafonja hatreto. (Loharanom-baovao: Région Menabe) (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mars 2020 13:37
    • Sary nindramina

    Tanànan’i Toamasina: Manolo-tanana ireo orinasa tsy miankina tsy hianahan’ny coronavirus

    Tonga nanolotra « masque » ho entina miaro ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina ny banky BFV-Société Générale aty amin’ny faritra Atsinanana ; nanolotra fitaovam-pitsaboana isan-karazany ny orinasa Ambatovy ; nanolotra savony 400 baoritra ny orinasa SKT ho an’ny hopitaly be sy ny hopitaly manara-penitra, ho entina miady amin’ny fihanaky ny otrik’aretina aty amin’ny faritra Atsinanana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mars 2020 08:23
    • Photos Fournies

    Lutte contre le coronavirus: 100 000 masques et 20 000 kits de test pour Madagascar

    100 000 masques de protection et 20 000 kits de test rapide sont désormais à la disposition de l’État Malagasy pour lutter contre la propagation du coronavirus à Madagascar. Le Président de la République Andry Rajoelina s'est rendu à la BANI Ivato dans la nuit de ce 25 Mars 2020 pour réceptionner ces nouveaux matériels médicaux. Il était accompagné de la représentante de l’Organisation Mondiale de la Santé à Madagascar, le professeur Charlotte Faty Ndiaye. Il s’agit d’un don de la Fondation du milliardaire chinois Jack Ma, afin de soutenir les pays africains à faire face à la pandémie de coronavirus.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 mars 2020 22:01
    • Sary nindramina

    Fanampiana ireo zokiolona: Natomboka androany ny fizarana ny « Vatsy TSINJO »

    Zokiolona manodidina ny 10 400 isa no hisitraka ity « Vatsy TSINJO » ho an'Antananarivo sy Toamasina. Nanomboka androany alarobia 25 marsa 2020 ny fizarana ireo fanampiana, izay fanampi-tsakafo toy ny vary, menaka, macaroni, sardine, sira… tamin'ireo Fokontany eto Antananarivo Renivohitra. Niara-nanatanteraka izany ny fiadidiana ny raharaha Sosialy eo anivon'ny fiadidiana ny prezidansa (DASP), ny avy eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina, ny Association Fitia ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 mars 2020 20:03
    • Sary: Jirama

    Fandoavana faktiora: Manazava ny fampiharana ny fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika ny JIRAMA

    Nitondra fanazavana mikasika ny fanemorana ny fanefana ny faktiora volana martsa 2020 ny mpitantana ny orinasa Jirama, androany, ho fampiharana ny fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika ny alin’ny 24 martsa 2020, mikasika ny Drafitra ara-tsosialy amin’ny hamehana. Voalaza tamin’izany fa afaka aloa in-dimy miantoana ao anatin’ny 5 volana ny faktiora izay tsy naloa rehefa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Manana safidy ihany koa anefa ny mpanjifa raha hanefa avy hatrany ny faktiora tsy voaloa na ho zaraina 10 volana ny handoavana izany, izay hifampiresahina amin’ny JIRAMA. Mampahafantatra ihany koa ny Jirama fa ireo faktiora efaina tsikelikely dia hozaraina miaraka amin’ny faktioran’ny fandaniana isam-bolana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 9 sur 218