Sociale

    • mardi, 19 mai 2020 21:48
    • Sary nomena Koweït

    Covid19: Malagasy maro no tavela any ivelany miantso vonjy ny hamelana azy ireo hody an-tanindrazana

    Mitaraina ireo vehivavy teratany Malagasy mikarama any Koweït fa ho tapitra amin’ny 22 may izao ny fe-potoana nomen’ny governemanta any an-toerana handraisana an-tanana azy ireo hahafahan’izy ireo mody an-tanindrazana. Natoby amina sekoly izy ireo nanomboka tamin’ny 26 aprily, anatin’izao fihibohana noho ny Coronavirus izao, miaraka amin’ireo mpiavy avy amin’ny firenena hafa toa an’i Philippines, Népal, Indonésie, Ethiopie, Srilanka sns, ireto farany izay efa saika tafody any amin’ny fireneny avy ny ankamaroany. Iantohana ny tapakilan’ny fiaramanidina hodian’izy ireo, fa miankina amin’ny fankatoavan’ny fanjakana malagasy ny hahafahan’izy ireo miditra eto Madagasikara ny fiaingana any.
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 mai 2020 21:34
    • Sary nindramina

    Manarintsoa Isotry: Nanatanteraka fitiliana faobe "Coronavirus" ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka

    Toerana nahitana tranga Covid-19 azo avy amin’ny fifampikasohana na "cas contact" miisa 16 teny Manarintsoa Isotry, tamin’ireo tranga vaovao niisa 45 araka ny tatitra navoakan’ny Foibem-pibaikoana momba ny Covid-19 ny sabotsy 16 may 2020. Nidina teny an-toerana ny alahady 17 may 2020, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, notarihin'ny Minisitra Ahmad Ahmad, sy ireo ministera hafa mpiara-miasa, nanatanteraka fitiliana faobe amin'ny valanaretina "Coronavirus". Voakasik’izany ireo Fokontany efatra manodidina an’i Isotry Manarintsoa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 mai 2020 20:03
    • Sary nindramina

    Fahasalaman'ny reny sy ny zaza: Manao tantsoroka ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny orinasa STAR

    Nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny orinasa STAR. Fitaovana mitentina 1,2 lavitrisa Ariary ho fanampiana sy fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza no votoatin’izany. Hopitalim-panjakàna miisa telo no hisitraka izany fampitaovana izany, dia ny CHU Toliara, CHRR Maintirano ary ny CRD Ikalamavony. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 mai 2020 21:09
    • Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena

    Ambanitsena - Manjakandriana: Nizarana boky ahafahana mampiana-tena ny mpianatry ny CEG

    Natomboka ofisialy androany 11 May 2020 teny amin'ny CEG Ambanitsena, CISCO Manjakandriana, ny fizarana ireo boky ahafahan’ireo mpianatra mampiana-tena antsoina ihany koa hoe "livrets essentiels". Natokana ho an’ireo mpianatra T6, T7, T8 ary T9 ireo boky ireo, izay mahakasika ireo taranja fototra telo, dia ny malagasy, frantsay ary matematika. Natao hanatevina ny fahalalana efa azon’ireo mpianatra sy hikolokolo ary hanamafy ny fitadidian’izy ireo ity boky iity, noho izy ahitana famintinana lesona, fampiharana ary paika samihafa hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiharana sy fanitsiana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 mai 2020 21:01
    • Sary: MENETP

    Covid-19: Nanolotra fanampiana ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny EPP ny banky BOA Madagascar

    Arotava miisa 100 000, vary 16 600 kg, tsaramaso 6 600 kg, menaka 416 litatra, ary "pack alimentaire" 4 000 isa, anjara biriky natolotry ny banky BOA Madagascar natao hanohanana ireo « cantines scolaires » ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny EPP ho fiatrehana ny valanaretina Covid-19. Nandray ny fanampiana ny Minisitra Andriamanana Rijasoa, izay naneho fankasitrahana ary manantena ny hitohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ity banky ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 mai 2020 15:12
    • Photos fournies

    Toamasina: Une campagne de dépistage massif a été lancée, avec comme objectif 10 000 tests

    Le Président de la République, Andry Rajoelina, a effectué une descente dans la ville de Toamasina ce jeudi 7 mai 2020. Face aux nombreux cas de contamination au Coronavirus enregistrés dans la Région Atsinanana, une campagne de dépistage massif a été lancée par le Président de la République. L’objectif fixé est de procéder à près de 10 000 tests. Hier, 985 tests PCR ont été effectués à Toamasina dont 598 employés d'Ambatovy et 387 personnes issues de plusieurs quartiers de la Région Atsinanana. Le Chef de l'État a assisté au dépistage qui s’est déroulé à l’esplanade de l’Hôtel de ville de Toamasina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 mai 2020 15:10
    • Sary nindramina

    Vatsy Tsinjo: Mitontaly 290 000 no nozaraina tamin'ireo Faritra telo voakasiky ny Covid 19

    Vatsy Tsinjo miisa 225 000 no nozaraina ho an'ny Faritra Analamanga, 30 000 ho an'Atsinanana ary 35 000 ho an'i Matsiatra Ambony. Mitontaly 290 000 ny Vatsy Tsinjo nozaraina tamin'ireo Faritra telo voakasiky ny Covid 19 ireo. Nofaranana tao amin'ny Distrikan'i Lalangina ny 06 may 2020 ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo sy Tambavy CVO ho an'i Matsiatra Ambony. Mpirotsaka an-tsitrapo miisa 425, izay ahitana mpiasam-panjakana, mpitandro filaminana, mpiasan'ny Office Régional de la Nutrition (ORN) ary mpitaona entana no nifarimbona nizara isan-tokantrano, nitety tanàna, notarihin’ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony. Teo ihany koa ny orinasa tsy miankina amin'ny fanjakana sy olon-tsotra izay nanolotra fanampiana nampiarahana tamin'ny Vatsy Tsinjo ho an'ireo fianakaviana marefo.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 mai 2020 21:37
    • Sary nindramina

    Ambovombe Androy: Napetraka androany ny vato fehizoro ny asa fanombohana ny tsena manarapenitra

    Lanonana maro sosona no tontosa teto Ambovombe Androy androany 05 mey 2020. Tontosa androany ny fametrahana ny vato fehizoro ny asa fanombohana ny tsena manarapenitra eto Berary. Nisy koa ny fametrahana vato fehizoro ny asa fanombohana ny lalana rarivato mirefy 2,5km eto an-tampotanana Ambovombe, ka ny ampahany voalohany dia mankany amin’ny tsena manarapenitra, ny faharoa miazo ny kianja manarapenitra, ary mankany amin’ny Toby Mahavelo ny ampahan-dalana fahatelo. Nisy koa androany ny fanolorana fanampiana ho an’ireo olona nafindra avy eny Berary, toerana hanorenana tsena manarapenitra, ka notolorana fanitso, fantsika ary hazo hanamboarany trano ny olona voakasik’izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 mai 2020 20:03

    Fampianarana ambony: Vinavinaina hanomboka amin'ny 8 jolay 2020 ny taom-pianarana vaovao

    Amin'ny alalan'ny fampianarana ampitain-davitra sy fizarana « polycopie » ho an'ny mpianatra no hamitana ny fampianarana tsy mbola vita tamin'ny taom-pianarana 2018-2019. Tsy mbola misy ny fampianarana anaty efitrano fianarana. Anisany tapaka ireo nandritra COPRIES (Conférence des Présidents et des recteurs d'institutions de l'Enseignement supérieur) tamin’ny visioconférence notanterahana ny 4 mey 2020, niarahan'ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika tamin'ireo filohan'ny oniversitem-panjakana sy Tale jeneralin'ny IST (Institut Supérieur de Technologie). Fivoriana nandinihana ny toe-java-misy sy ny fiainan'ny oniversite rehetra ao anatin'izao fiatrehana ny fihibohana izao.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 avril 2020 16:53
    • Sary: MICA

    Amoron'i Mania: Mpanao asatanana no manjaitra ny aro-tava ho an'ny mpianatra ato amin'ny Faritra

    Tokantrano mivelona amin’ny asatanana miisa 40, manana ny karatra maha matihanina, no natolotry ny Sampandraharaham-paritry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana Amoron'i Mania, ka nisitraka ny fanjairana aro-tava manaja ny fenitra, 100 000 isa ho an'ny mpianatra ato amin'ny Faritra, ho fisorohana amin'ny tsimokaretina Covid-19. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 4 sur 218