Sociale

    • mardi, 10 mars 2020 12:08
    • Sary: Antenimierandoholona

    Antenimierandoholona: Hetsika fanomezan-drà no nentina nanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy

    Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy, ireo vehivavy Loholon’i Madagasikara sy ireo mpiara-miasa vehivavy teo anivon’ny Antenimierandoholona, ny Alatsinainy 09 martsa 2020. Hetsika fanomezan-drà tetsy amin’ny Hopitaly HJRA no nentina nanamarihana ny fankalazana, tamin’ity taona ity, hetsika izay notarihin’ny Loholon’i Madagasikara Ramalason Olga. Nanambara ity farany fa tsara ny manome rà, satria mamonjy olona sy manome aina ; noho izany dia nanentana ny rehetra izy mba hazoto amin’ny fanomezan-drà na dia indray mandeha isan-taona ihany aza. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 09 mars 2020 13:48
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Morondava: Sady nankalaza 8 marsa no nizara fanomezana ho an’ireo mpianatra mendrika

    Nilamina sady niavaka ny fankalazana ny 8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy tato Menabe. Betsaka ny reny nandray anjara tamin’ireo hetsika ara-panatanjahantena isany nentina nanamarihana izany, nindrindra ny baolina kitra. Fa nanolotra fanomezana ho an'ireo mpianatra telo voalohany tao amin’ny EPP Andakabe ihany koa ny vehivavy miasa ao amin’ny DRENETP Menabe, hetsika mbola tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny 8 marsa ihany koa. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 08 mars 2020 20:26
    • Sary nomena

    Ikalamavony: Voaporofo fa mahavita azy ny vehivavy

    Tanteraka soamatsara ny fankalazana ny 08 Marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy teto Ikalamavony androany Alahady. Voaporofo fa mahavita azy ny vehivavy ary manana ny toerana maha izy azy eo anivon'ny fiarahamonina sy ny fiainam-pirenena ary ny ankohonana. Vao maraina dia nisy ny famohamandry natao nanerana ny tanàna izay tabatabam-pifaliana sy horakoraka. Narahan'ny filaharambe namakivaky ny tanàna izay nandraisan'ireo fikambanam-behivavy maro samihafa misy ato amin'ny Distrika. Nisy ny fanentanana ireo vehivavy mba hivondronana anaty fikambanana mba hahafahana manome tantsoroka azy ireo amin'ny fiofanana sy fikarohana famatsiana ara-bola hahafahan'izy ireo mivelatra amin'ny sehatra misy azy ireo mba ho afaka hahita fidiram-bola hanatsarana ny fiainan-tokantrano.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 08 mars 2020 18:36
    • Photos fournies

    Célébration de la Journée internationale de la Femme: Deux journées marathon pour Mialy Rajoelina

    La célébration de la journée internationale de la Femme se déroule à Toliara les 7 et 8 mars sous le haut patronage de la Première Dame Mialy Rajoelina. La célébration a ainsi débuté ce 7 mars par l'inauguration de la Maison des Jeunes de Betania-Ankilifaly Toliara. Depuis 2012, la Première Dame a soutenu les 22 maisons des Jeunes réparties à travers Madagascar. Elle a ainsi réaffirmé son appui à la Maison des jeunes de Toliara en apportant les rénovations ainsi que les fournitures nécessaires. Mialy Rajoelina a également répondu à la demande des jeunes en installant une connexion internet haut débit, destinée au Centre d'Accès à interNET (CANET). Par ailleurs, un centre de formation en coiffure et couture a également été mise en place sur les lieux. La Première Dame Mialy Rajoelina a ensuite inauguré le "Centre Ami de la Vaccination" de Toliara. C'est actuellement le troisième centre de ce genre, après celui d'Ambohimiandra-Antananarivo inauguré en novembre 2019, et de Tsaralalàna-Antananarivo dont l'inauguration a été réalisée la semaine dernière.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 mars 2020 19:15
    • Loharanom-baovao: MENETP

    Tetikasa BEAR II: Hatsangana eto Antananarivo sy Moramanga ny ivotoeram-panofanana momba ny tontolon'ny lamba

    Tetikasa an’ny UNESCO ny BEAR II na « Better Education for Africa’s Rise II » izay vatsian’ny Repoblikan’i Korea Atsimo. Tanjona ny hanomanana sy hanofanana ireo mpianatra mba hananany fahaiza-manao hidirany amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Hatsangana eto Antananarivo sy Moramanga ny ivotoeram-panofanana momba ny Tontolon'ny lamba : « Textile, habillement et accessoires », izany hoe ny tontolon'ny lamba sy ny manodidina azy. Efa vonona ny orinasa hanome fitaovana sy hiara-hiasa ary handray ireo voaofana. Toeram-panofanana manodidina ny 13 no efa nisitraka fahaiza-manao momba ny «Ingénierie et matériel », niarahana tamin’ny UNESCO hatrany. (Loharanom-baovao: MENETP)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 mars 2020 18:55
    • Sary nindramina

    Toliara: Notokanana ny « Centre Vonjy » mandray an-tanana ireo zaza sy ny vehivavy iharan'ny herisetra

    Ivotoerana misahana ny Zaza sy ny vehivavy iharan'ny herisetra ny « Centre Vonjy ». Eo amin'ny hopitaly Antanambao no iorenany eto Toliara, notokanana androany, tafiditra indrindra ao anatin'ny fankalazana ny 8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy. Ity ivotoerana ity dia iarahan'ny ministeran'ny Fahasalamana, ny filaminam-bahoaka, ny Zandarimariam-pirenena, ny fitsarana, ny UNICEF, ny ministeran'ny Mponina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 mars 2020 20:30
    • Sary nindramina

    Hopitalin’ny Reny sy zaza Tsaralalàna: Notokanana ny Trano Sakaizan'ny Vaksiny

    Notokanana androany 04 martsa 2020 ny Trano Sakaizan'ny Vaksiny, na ny « Centre Ami de la Vaccination » eo anivon’ny hopitalin’ny Reny sy zaza Tsaralalàna-Antananarivo, izay vao avy nohavaozina. Hanampy amin'ny fanatsaràna ny tolotra fanaovam-baksiny izay omen’ny hopitaly ho an’ny Malagasy ary hampitombo ny taham-panaovam-baksiny ny fanavaozana ity trano ity. Fiarahamiasan'ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fikambanambe iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) ary ny Fikambanana FITIA no nahavitana izao fotodrafitrasa sy fampitaovana izao. Tonga nanotrona sy nitokana izany Rtoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filoham-pirenena sady Filohan' ny Fikambanana FITIA ary Reny mpiahy ny fahasalamàn'ny Reny sy ny Zaza malagasy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 mars 2020 17:19
    • Sary: Rollande Rosie

    Tolagnaro: Nanolotra fanampiana ho an’ireo vehivavy voafonja ny « Vehivavy 8 Marsa »

    Miisa 15 ireo vehivavy voafonja ao amin’ny fonjaben’i Tolagnaro. Nanatitra fanampiana ho azy ireo ny « Vehivavy 8 Marsa » ka androany alarobia 4 martsa maraina ny solontena no nanatira izany teny an-toerana. Nahitana lamba, savony, vary, poketra, tatinono, menabolo ny fanomezana, izay voaangona nandritra ny hetsika « Hanampy ny Hafa Aho ». Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny 8 martsa, Andro manerantany ho an’ny Vehivavy ity hetsika nataon’ny fikambanana « Vehivavy 8 Marsa » teto Tolagnaro ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 mars 2020 15:43
    • Sary: Ministeran'ny Mponina Madagasikara

    Rodobe ho an'ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy: Nitohy androany taty Vinaninkarena ny hetsika

    Mitohy ny Rodobe ho an'ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy. Hetsika natao ho fanomanana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy. Taty amin'ny Kaominina Vinaninkarena, Distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra no natao ny hetsika androany 2 martsa 2020. Nizara lay hoan'ireo vehivavy lehibe sy mitaiza kely ny Ministeran'ny Mponina, ary nanao fanentanana mahakasika ny ady amin'ny herisetra sy ny zon'ny vehivavy ary ny miralenta. Nisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana sy ny toro-hevitra momba ny fahasalamana, ary ny fitiliana ny homamiadan'ny nono, ny vozon'ny tranon-jaza,ny diabeta, ny VIH-SIDA ary ny tazomoka. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 mars 2020 15:33
    • Sary Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa

    « Subventions des enseignants »: Mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina maherin’ny 34 500 no hisitraka

    Mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina maherin’ny 34 500 manerana ireo Faritra 22 no hisitraka fanampiana ara-bola na « subventions des enseignants », ary sekoly tsy miankina miisa 1 670 no ahazo ny « Allègement des charges parentales » na fanamaivanana ny vesatr’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ho an’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana. Anisany masontsivana napetraka ahafahan’ireo sekoly tsy miankina misitraka ireo fanampiana ireo ny fananana saram-pianarana latsaky ny 800 Ar, ny fananan’ny mpampianatra fahazoandalana hampianatra (Attestation d’Enseigner), ny fananan’ny sekoly fahazoandalana hisokatra (Attestation d’Ouverture). Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fizarana ny taratasim-bola ho an’ny faritra Analamanga ary hitohy manerana ny nosy izany. (Loharanom-baovao: Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa) (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 14 sur 220