Sociale

    • mardi, 17 mars 2020 20:25
    • Sary nindramina

    Tolo-tanana: Nanome fanampianana ho fiarovana ny fidiran’ny coronavirus eto Madagasikara ny firenena Sinoa

    Nanolotra vary 300kg, menaka 72 tavoahangy amin'ny 1 litatra, siramamy 50 kg, kidoro spaonjy miisa 06 ary lamba firakotra 40 isa ho an’ny hopitaly Anosiala ny firenena Sinoa tamin’ny alalan’ny fikambanana « Chambre de Commerce Nantong » eto Madagasikara, hiatrehana sy hanaraha-maso ny valanaretina "Coronavirus". (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 17 mars 2020 16:53
    • Sary nindramina

    Maroantsetra: Mihoatra ny 2 000 ireo traboina

    Vokatry ny rivomahery sy rotsakorana nentin'ilay andro ratsy Herold farany teo, dia voa mafy indray i Maroantsetra, dibo-drano ny tanàna sy fokontany maro. Tsy afaka mianatra ireo mpianatra fa feno rano ny sekoly. Maro ny fahavoazana ary mihoatra ny 2 000 ireo traboina miandry famonjena. Somary takon'ilay valan'aretina Coronavirus ity loza ity, ka mitaraina ireo mponina fa mitoka-monina, ny lalana mandeha any rahateo dia lasa atao resaka fakana vatom-pifidianana fotsiny hoy ny maro. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 mars 2020 18:29
    • Tahirin-tsary fanehoana

    Tsy fanjarian-tsakafo: Mamono olona 9 125 000 isan-taona, 17 isa-minitra

    Araky ny tatitra natao'ny Sampan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena FAO, dia mahatratra 815 tapitrisa ny isan'ny olona tratran'ny hanoanana sy tsy fanjarian-tsakafo manerantany, ary mihoatran'ny 9 tapitrisa ny maty isan-taona,17 isa-minitra, ka 3 tapitrisa amin'izany dia zaza latsaky ny 5 taona.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 mars 2020 13:15
    • Sary: Faritra Vakinankaratra

    Vakinankaratra: Ny zoma 13 Martsa 2020 no natao ny fankalazana ny Andron'ny vehivavy

    Natao ny zoma 13 Martsa ny fankalazam-paritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy, ho an’ny Faritra Vakinankaratra, raha ny 8 marsa no ankalazana izany isan-taona manerantany. Teto Antsirabe, renivohitry ny faritra no natao ny lanonana mahakasika izany, tao anatin’ny lohahevitra « Izaho sy ianao, isika rehetra miara-miombon’andraikitra ho fisitrahana ny zon’ny vehivavy ». Nanome voninahitra izany ny Governoran’i Vakinankaratra, Rakotovao Vyvato. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 mars 2020 12:04
    • Sary nindramina

    Coronavirus: Tsy manao fitiliana mivantana ny Institut Pasteur

    Nanambara amin'ny alalan'ny peta-drindrina ny Institut Pasteur de Madagascar fa tsy manao fitiliana ny otrikaretina Coronavirus mivantana amin'ny olona, fa miangavy ireo manana fiahiahiana amin'izany aretina izany hiantso ny laharana maitso tsy andoavam-bola 910, na anantona ny CHU Anosiala na ny CHU HRA na Befelatanana, ka ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka ihany no afaka maniraka azy hanao izany fitiliana izany. Raha ny fantatra, dia hopitaly 2 eto an-drenivohitra ary 14 any amin'ny faritany no efa voahomana andray an-tanana ny fitsaboana raha sanatria misy tranga. Ny institut Pasteur no manana fitaovana fitiliana ny otrikaretina (laboratoire sécurisé de niveau 3, amplification génomique). Eo amin'ny 4 ora eo no anaovana fitiliana na test iray, ary mahavita 150 tests eo izy indray andro.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 mars 2020 11:06
    • Sary: MEDD

    Fandotoana rivotra sy rano: Handraisan’ny ministeran’ny tontolo iainana fepetra ny orinasa HITA eto Toamasina

    Handray fepetra hentitra mahakasika ny orinasa HITA eto Toamasina, izay mpamokatra menaka sakafo, ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tsikaritra nandritra ny fandalovan’ny Minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina niaraka tamin’ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy faritra Atsinanana, ny ONE ary ireo tekinisianina avy ao amin’ny ministera ny fisian’ny fofona maimbo miaraka amin’ny setroka avoakan’ity orinasa ity. Ireo mpiasa ao aminy dia tsy manana fitaovana hiarovana amin’izany setroka sy fofona izany akory. Etsy andanin’izany koa, voaloton’ireo orinasa manodidina azy ny lakandranon’i Pangalana izay mamelona olona maro aty amin'ny faritra Atsinanana aty.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 mars 2020 17:54
    • Loharanom-baovao: Ministeran’ny mponina

    Madagasikara: Mponina amin’ny Distrika miisa 13 no misitraka ny fiahiana ara-tsosialy

    Nitarika ny delegasiona Malagasy amin’ny fihaonana miaraka amin'ny Banky iraisam-pirenena any Washington – Etazonia ny Minisitry ny Mponina Naharimamy Lucien Irmah, nanomboka ny 9 marsa 2020 teo. Hitadiavana fanampiana sy fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina ny fihaonana, indrindra ny vehivavy eto Madagasikara. Misongadina amin’izany ny fampitomboana ny faritra hisitraka ny fanampiana raha mbola Distrika 13 monja no mahazo izany amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’ny dinika ny fanomezana fahaleovantena ny vehivavy amin’ny alalan’ny fanomezana sy famoronana asa ahazoana mampidi-bola ahatonga ny vehivavy ahaleotena ara-toekarena, handray anjara eo amin’ny fiahiana ny fianakaviana sy ny firenena, ny fanatsarana ny fandrindram-piainam-pianakaviana mba ahafahan’ny vehivavy mifehy ny fananahany ka hananany fotoana hiariana sy hiasana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 mars 2020 23:00
    • Sary Gasypatriote Sambava

    EPP Antaimby Sambava: Ahiana ho dibo-drano noho dobon-trondro namboarina akaiky eo

    Manahy ny mpampianatra sy ny Ray aman-dreny manoloana ny fanomezan-dalana olon-tokana nitrongy ny tany izay mba ho aro amin'ny rano tsy hiakatra nefa nanaovana dobo hiompiana trondro eto amin'ny EPP Antaimby-Sambava. « Taniko io ary nahazo alalana mazava avy tamin'ny lehiben'ny Fokontaninay teto Antaimby izaho izay vao nanao io », hoy ilay ramatoa tompony. Raha nidina teny ifotony anefa ny Ben'ny tanàna dia nanasa tanana fa tsy tompon'antoka amin'izay mety ho fiantraikan'io fanaovana dobo lehibe, eo ampitan’ny EPP Antaimby, io satria « tsy nandalo tao aminay mihitsy io fa ny Fokontany ihany no nanao izay tiany natao ka nanaiky nanome izany nefa hanao ahoana ny hoavin'ireo zanakatsika izay mianatra eto »? (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 mars 2020 22:04
    • Sary: MAE

    Ministeran'ny Raharaham-bahiny: Vehivavy ny 63% ny mpiasa ao

    Vehivavy ny 63% ny mpiasa eo anivon’ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny ary mbola ny vehivavy no maro an’isa amin’ireo mpitantana eo anivon’ity Ministera ity. Nisy lanonana tsotra izay notarihan’Atoa Tehindrazanarivelo Liva, Minisitry ny Raharaham-bahiny, sy niarahana tamin’ireo mpiasa lehilahy rehetra eo anivon’ity Departemanta ity, ny alatsinainy 9 marsa 2020 nentina nanomezam-boninahitra manokana azy ireo noho ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, fa amin’ny alalan’izy ireo no hitarafana ny kolontsain'ny hatsarana sy ny fivoarana, izay antony iray lehibe tokony hampiroboroboana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 mars 2020 20:15
    • Photos Fournies

    Sècheresse dans le Sud: Des solutions pérennes

    Ce 09 mars 2020, le Président de la République Andry Rajoelina est revenu dans le Fokontany d'Ankalangasa, Commune rurale d’Androka, District d’Ampanihy afin d'implanter les matériels et lancer les forages. Les machines puiseront jusqu'à une profondeur de 100 mètres pour obtenir de l'eau. En trois jours, la population locale peut avoir accès à l’eau potable. Plus de 2000 personnes à travers la commune rurale d’Androka seront les bénéficiaires de ces travaux. Le Président Andry Rajoelina a aussi annoncé que cinq nouvelles machines de forages seront acheminées dans les régions touchées par la sècheresse afin que tous les Fokontany puissent avoir accès à l’eau potable. Outre le projet FIAVOTA, qui vise à appuyer financièrement les ménages vulnérables, un « Tsena Mora » a également été mis en place à Ankalangasa pour soutenir la population face à la flambée des prix des produits de premières nécessités.
    Lire la suite ...
Page 13 sur 220