Sociale

    • jeudi, 26 mars 2020 13:37
    • Sary nindramina

    Tanànan’i Toamasina: Manolo-tanana ireo orinasa tsy miankina tsy hianahan’ny coronavirus

    Tonga nanolotra « masque » ho entina miaro ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina ny banky BFV-Société Générale aty amin’ny faritra Atsinanana ; nanolotra fitaovam-pitsaboana isan-karazany ny orinasa Ambatovy ; nanolotra savony 400 baoritra ny orinasa SKT ho an’ny hopitaly be sy ny hopitaly manara-penitra, ho entina miady amin’ny fihanaky ny otrik’aretina aty amin’ny faritra Atsinanana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mars 2020 08:23
    • Photos Fournies

    Lutte contre le coronavirus: 100 000 masques et 20 000 kits de test pour Madagascar

    100 000 masques de protection et 20 000 kits de test rapide sont désormais à la disposition de l’État Malagasy pour lutter contre la propagation du coronavirus à Madagascar. Le Président de la République Andry Rajoelina s'est rendu à la BANI Ivato dans la nuit de ce 25 Mars 2020 pour réceptionner ces nouveaux matériels médicaux. Il était accompagné de la représentante de l’Organisation Mondiale de la Santé à Madagascar, le professeur Charlotte Faty Ndiaye. Il s’agit d’un don de la Fondation du milliardaire chinois Jack Ma, afin de soutenir les pays africains à faire face à la pandémie de coronavirus.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 mars 2020 22:01
    • Sary nindramina

    Fanampiana ireo zokiolona: Natomboka androany ny fizarana ny « Vatsy TSINJO »

    Zokiolona manodidina ny 10 400 isa no hisitraka ity « Vatsy TSINJO » ho an'Antananarivo sy Toamasina. Nanomboka androany alarobia 25 marsa 2020 ny fizarana ireo fanampiana, izay fanampi-tsakafo toy ny vary, menaka, macaroni, sardine, sira… tamin'ireo Fokontany eto Antananarivo Renivohitra. Niara-nanatanteraka izany ny fiadidiana ny raharaha Sosialy eo anivon'ny fiadidiana ny prezidansa (DASP), ny avy eo anivon'ny Minisiteran'ny Mponina, ny Association Fitia ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 mars 2020 20:03
    • Sary: Jirama

    Fandoavana faktiora: Manazava ny fampiharana ny fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika ny JIRAMA

    Nitondra fanazavana mikasika ny fanemorana ny fanefana ny faktiora volana martsa 2020 ny mpitantana ny orinasa Jirama, androany, ho fampiharana ny fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika ny alin’ny 24 martsa 2020, mikasika ny Drafitra ara-tsosialy amin’ny hamehana. Voalaza tamin’izany fa afaka aloa in-dimy miantoana ao anatin’ny 5 volana ny faktiora izay tsy naloa rehefa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Manana safidy ihany koa anefa ny mpanjifa raha hanefa avy hatrany ny faktiora tsy voaloa na ho zaraina 10 volana ny handoavana izany, izay hifampiresahina amin’ny JIRAMA. Mampahafantatra ihany koa ny Jirama fa ireo faktiora efaina tsikelikely dia hozaraina miaraka amin’ny faktioran’ny fandaniana isam-bolana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 mars 2020 13:20

    Antananarivo Renivohitra: Ampy ny tahirin-tsolika, ferana ho tavoahangy iray isan’olona ny entona fandrehitra

    Mampahafantatra sy manome toky ny mpanjifa ny OMH (Antokondraharaha malagasy momba ny akoranafo) fa ampy tsara ny tahiry ary mizotra antsakany sy andavany tsy misy fahatapahany, ny famatsiana sy ny fitsinjarana ny entana rehetra toy ny solika sy ny entona fandrehitra manerana ny Nosy. Noho ny antony ara-pandaminana, hoy ny OMH, dia ferana ho tavoahangy misy entona fandrehitra ho IRAY (01) ihany, isaky ny mpanjifa eto Antananarivo Renivohitra, na firy na firy ny lanjan’ilay tavoahangy, no vidiana mandra-piverenan’ny fitsinjarana amin’ny ara-dalàna. Mihoatra 1 500 tavoahangy no vatsiana isan’andro eny amin’ireo toeram-pivarotana maro samihafa, ireo toby famarotana lasantsy sy ireo mpaninjara hafa, ka mety hisy indraindray ny fahataran’ny fitsinjarana, hoy ny fanazavana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 mars 2020 14:05

    Coronavirus: Anjaitra takom-bava ho an'ny mpiara-miasa sy ny fanjakana ny orinasa AKANJO et ROVA CAVIAR MADAGASCAR

    Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia nanapa-kevitra ireo mpanorona ny orinasa AKANJO et ROVA CAVIAR MADAGASCAR fa ampiasa ny fitaovana eo ampelatanany hanamboatra ary anolotra takom-bava na masque ho an'ireo mpiara-miasa aminy, ny fianakavian'izy ireo, ny manodidina ary ho an'ny mpitondra fanjakana. Izany takom-bava izany dia amboarina miainga avy amin'ireo tapa-damba, atao teviny 3, azo sasana ary azo ampiasaina matetika. Hatreto dia tsy nahazo ny fankatoavana manara-penitra iraisam-pirenena ity takom-bava ity, fa tsapan'ireo mpanorona ny orinasa AKANJO et ROVA CAVIAR MADAGASCAR anefa fa mety ilaina izany.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 mars 2020 12:30

    Coronavirus: Mihantona ny fandraisana mivantana ny fotorohana, mitohy kosa ny i-toroka

    Ho fampiharana ny fanambaran'ny Filoham-pirenena ny 22 marsa lasa teo, ho fiadiana amin'ny valanaretina Covid-19, dia nanapa-kevitra ny Birao Mahaleotena iadiana amin'ny kolikoly na ny Bianco, fa tsy hisy fandraisana mivantana ny fitarainana sy fitorohana eo anivon'ny biraon'ny Bianco manerana ny Nosy. Mitohy kosa ny fandraisana izany amin'ny alalan'ny telefonina, mailaka, tambanjozatra internet i-toroka sy ireo tambazotra-tserasera samihafa sy ny mailaka.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 mars 2020 09:17
    • Sary: Ministeran’ny Mponina

    Covid-19: Nalefa eny amin’ny Centre Social Anosizato ireo fianakaviana tsy manan-kialofana teto an-drenivohitra

    Nangonina ireo fianakaviana tsy manan-kialofana teto an-drenivohitra ary natoby eny amin’ny Centre Social Anosizato izay toerana an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nifarimbona ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra nametraka ireo fianakaviana ireo amin'ny toerana milamina, azo antoka ary ahafahana manome sakafo azy ireo sy hanomezana azy ireo ny fiahiana ara- tsosialy sy fanofanana mendrika azy ireo, fa indrindra ho fisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus misy amin'izao fotoana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 mars 2020 21:30

    Coronavirus: Miantso vonjy ireo Mpianatra malagasy any Indonezia

    Miaina anaty tebiteby ireo mpianatra malagasy any Indonezia manoloana ny toe-draharaha izay mifamahofaho maneran-tany ary anisan’ny voakasik’izany i Madagasikara sy Indonezia izay mikasika ny valan’aretina coronavirus. Miantso vonjy ireto mpianatra malagasy any Indonezia ireto noho ny tsy mbola naharaisan’izy ireo ny "allocation financière 2018-2019”, izay vola tokony nivoaka tamin’ny Desambra 2019 kanefa « tsy mbola tonga aty noho ny antony izay mbola tsy mazava », hoy ny fitarainan’ireto mpianatra ireto. Efa nisy, hoy izy ireo, ny fitarainana maro, sy fitadiavam-bahaolana naroso tamin'ny tompon'andraikitra, toy ny CONABEX (Commission Nationale des Bourses Extérieures) sy ny Ministera isan'ambaratongany, saingy nandamòka daholo izay natao rehetra.
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 mars 2020 20:24
    • Sary nindramina

    Coronavirus: Nijery toerana azo ametrahana ireo fianakaviana tsy manan-kialofana ny Minisiteran'ny mponina

    Nijery toerana azo ametrahana ireo fianakaviana tsy manan-kialofana ny Minisiteran'ny mponina, ho fiatrehana ny fianaky ny coronavirus. Ny EPP Nanisana no nojerena niaraka tamin'ny avy eo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny BNGRC... Ho entina eo anivon'ny Komity misahana ny fandrindrana ny fisoroana (Centre opérationnel de commandement COVID-19 Ivato) ity coronavirus ity ny volavolan-kevitra ahitana ny fomba ahafahana manatanteraka azy.  
    Lire la suite ...
Page 11 sur 220