Sociale

    • samedi, 01 août 2020 18:46
    • Photos fournies

    Stade Malacam: Lancement de la distribution des « Sosialim-bahoaka » pour Antananarivo

    L'État Malagasy lance une campagne de distribution de vivres et de produits de premières nécessités à travers le pays. Pour ce qui est d'Antananarivo, près de 200 000 foyers vulnérables issus des six arrondissements de la capitale bénéficieront de cette aide sociale, contenant 1 sac de riz, un format familial du remède traditionnel amélioré Tambavy CVO, 2 litres d’huile alimentaire, du sucre, des légumes secs, du lait concentré, des pâtes alimentaires et du sel. Ce 1er août 2020, le président Andry Rajoelina accompagné de son épouse, Mialy Rajoelina, ont assisté au lancement officiel de la distribution de ces aides sociales au Stade des Cheminots Antanimena.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 31 juillet 2020 12:15
    • Sary nomena

    Covid-19: Miazakazaka ny fiakaran'ny valanaretina

    Mankasitraka ireo prefesora mpitsabo 4 nanao kajy, niainga tamin'ireo valin'ny fitiliana natao teto Madagasikara. Raha ny fandalinana natao dia miazakazaka miakatra ny isan'ireo olona voan'ny aretina Covid-19 ka mila fepetra aingana hanakanana ny fihanaky ny valanaretina, manomboka amin'ireo fepetra fanakanana ny fifamindrana toa ny fanaovana takom-bava, fanajana elanelana, fanasana tanana... Efa manakaiky ny famindrana olona 1 mamindra amin'ny olona 3 ankehitriny, raha tokony ho latsaky ny olona 1 mamindra amin'ny olona 1 ihany no fenitra. Raha manaja sy entitra amin'ny fepetra tsy fifamindrana, dia mety any amin'ny 16 aogositra any, raha ity kajy ity hatrany, no ho tratra ny taha avo indrindra, na Pic, ka hanomboka hidina ny valanaretina, izay maharitra kokoa ny fidinany noho ny fiakarany. Tombanana tapaky ny volana oktobra any ny taha ambany indrindra.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 31 juillet 2020 11:59

    Nosy Be: Hiverina an-tsekoly ireo mpianatra amin’ny kilasim-panadinana

    Hiverina hianatra ny mpianatra manomboka amin’ny Alatsinainy 3 Aogositra 2020 ireo mpianatra amin’ny kilasim-panadinana CEPE, BEPC ary ny Bakalorea ato amin'ny Cisco Nosy-Be rehefa niato roa herinandro teo. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco Nosy Be, Rabemanjary Thierry Anicet dia diovina ny toeram-pianarana rehetra alohan'ny hidiran’ny mpianatra, ary hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus. Mpianatra iray isaky ny latabatra ary tsy tokony hifampikasokasoka koa ireo mpianatra mba hiarovan'izy ireo ny tenany. Afaka mianatra maraina sy hariva ny mpianatra saingy tsy tokony hihohatra ny 5 ora ny firavana amin’ny hariva.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 juillet 2020 19:43

    Vanim-potoana maitso ahitra: Ho henjana ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ity

    Araka ny vinavina dia ho henjana ny tsy fanjarian-tsakafo mandritra ny vanim-potoana maitso ahitra ho avy, izay hanomboka amin’ny volana novambra. Amin’ny faran'ny volana Jolay anefa dia tombanana ho ny ampahefatry ny mponina ao atsimon'i Madagasikara, izany hoe, olona maherin’ny 550 000 no tsy hanan-kohanina isan'andro. Ny Distrikan'i Ampanihy sy Tsihombe no ho tena voakasik'izany. Zaza maherin’ny 100 000 any amin'ny Distrika enina, tena voa mafy any atsimon'i Madagasikara, no ahiana ianjadian’ny tsy fahampian-tsakafo mandritra ny taona 2020, ka ny19 000 amin’izany dia tranga tena mafy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 juillet 2020 19:29
    • Sary nomena

    Malagasy any atsimo: Nomen’ny Amerikana sakafo 8 330 taonina hiatrehana ny maitso ahitra

    Sakafo milanja 8 330 taonina no omen’ny fanjakana amerikana ny vahoaka any atsimon'i Madagasikara mandritra ny vanim-potoana maitso ahitra, izay ahiana ho mafy amin’ity indray mitoraka ity. Olona miisa 350 000, ahitana vehivavy mitondra vohoka sy mampinono miisa 20 500, no hisitraka an’izany fanampiana vonjy aina ara-tsakafo izany. Ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Maneran-tany, na USAID, no mamatsy vola izao fanampiana ara-tsakafo izao. Efa tonga avokoa ny entana, ary ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo (na PAM) no hizara ny sakafo amin’ireo ankohonana marefo ao amin'ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Vatovavy Fitovinany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 juillet 2020 21:53
    • Photos Fournies

    Lutte contre le Covid-19: Un nouveau CTC et une plateforme digitale de gestion Covid-19 sont opérationnels

    Un nouveau centre de traitement Covid-19 (CTC) a officiellement ouvert ses portes au stade annexe du palais des sports et de la culture à Mahamasina, ce 25 juillet 2020. Il s’agit du deuxième centre du genre, destiné à accueillir les patients présentant des formes graves du coronavirus. Les malades peuvent également y effectuer des consultations médicales. Ce centre de traitement Covid-19 a une capacité d’accueil de près de 250 patients et a été équipé de concentrateurs d’oxygène ainsi que des respirateurs pour les patients présentant des difficultés respiratoires. La prise en charge des patients dans ce centre de traitement Covid-19 Mahamasina est assurée principalement par les médecins et paramédicaux de l’Armée.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 juillet 2020 16:45
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Ady amin'ny Covid-19 - Tetik'asa FANDRIAKA

    Ny fandriaka dia fomba Betsimisaraka entina anaovana asa iombonana sy ifanomezan-tanana amin'ny olona maromaro, ohatra rehefa anao asa fijijam-bary, asa tany, asa fananganan-trano. Io teny io no nofidin’ny CRCO Atsinanana niantsoana an’ilay tetik’asa nentina nanatevenana ny fanentanana teny ifotony momba ny ady amin'ny aretina Covid-19. Naharitra telo volana ny tetik’asa (13 Aprily- 13 Jolay). Maro ny asa vita: - Ireo « affiches » sy « flayers » marobe nozaraina sy napetaka manerana ny tanànan’ny Toamasina;- Manodidina ny roanjato ireo mpanentana sy « agents communautaires » nahazo fanofanana ka niara-nisalahy tamin'ny asa fanentanana rehetra natao;- Fandaharana maherin’ny dimampolo no novokarina ka nalefa tamin'ireo haino aman-jery taty Toamasina sy ny manodidina; - Fitaovana maro toy ny « dictaphone » no novidiana ka nomena ireo tobim-pahasalamana mba hampiasaina amin'ny fanentanana; - Andro maro misesy no nanatanterahana fanentanana « allô allô » na « dalala » manerana ny tanàna.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 juillet 2020 12:06
    • Sary nindramina

    Vola fisotron-dronono: Azo raisina amin’ny Paositra Money

    Efa azo atao ny misitraka ny fandraisana ny fisotron-dronono, na pension Trésor na Cnaps, amin'ny alalan'ny Paositra Money manerana ny Nosy. Tolotra vaovao omen’ny Paositra Malagasy io, ho fitsinjovana ireo zokiolona, izay miaritra fifohazana maraina be, mandeha tongotra lavitra be, milahatra be, rehefa tonga ny fangalana ny fisotron-dronono. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 juillet 2020 10:21

    Ady amin'ny Covid-19: Manampy amin'ny fitsinjarana fanafody eo anivon'ireo CSB II ny fikambanana FITIA

    Araka ny tati-baovao hita ao amin’ny pejy facebook ny Fiadidiana ny Repoblika dia « manampy ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fitsinjarana fanafody eo anivon'ireo CSB II eto Antananarivo sy ny manodidina ny fikambanana FITIA, izay tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina » ho fiaraha-mientana amin'ny ady amin'ny valan'aretina Covid-19. Fanafody toy ny tambavy CVO, Magne-B6, Vitamine C, Paracétamol, Azithromicyne ary Hydroxychloroquine no tsinjaraina. « Maimaim-poana avokoa ireo fanafody ireo, ary ny dokotera eny anivon'ireo CSB tsirairay ireo no mamaritra ny fanafody hitsaboana ireo olona izay tonga eny an-toerana », hoy hatrany ny tatitra.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juillet 2020 12:50
    • Sary nindramina

    Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle: Efa-bolana tsy ankiato nitatitra ny fivoaran’ny Covid-19eto Madagasikara

    Mpitondrateny ny Foibem-pibaikoana momba ny Covid-19 i Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Efa-bolana tsy ankiato androany izy no nitatitra ny fivoaran’ny coronavirus eto Madagasikara. Tsy nisy andro fety, na andro alahady, fa teo hatrany ary tsy nitandro hasasarana ity Sojaben’ny sampana fitsaboana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ity, nizara ireo tarehimarika, ny tsara ho fantatra, nanentana ary koa nanome toroheritra. Zary rakitra diary ao amin’ny Malagasy ny fotoana isan’andro amin’ny iray ora tolakandro ifamotoanana aminy amin’ny haino aman-jery, anaovany tatitra nandritra izay efa-bolana nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara izay. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 220