Sociale

    • jeudi, 21 janvier 2021 16:52
    • Photos Fournies

    Tolagnaro : Le Président Andry Rajoelina aux côtés des Sœurs Filles de la Charité - Sahan’i Maria

    Avant de quitter la capitale de la Région Anosy, le Président de la République Andry Rajoelina a procédé ce 20 janvier 2021, au lancement du hotspot WI-FI situé sur la place de l’Hôtel de Ville de Tolagnaro. Une cinquantaine de ces hotspots WI-FI ont été installés à travers Madagascar pour offrir un accès gratuit à internet pour les utilisateurs. A l'ère du numérique et du développement des télécommunications, la mise en place de ces hotspots WI-FI, offrira à la population, et surtout aux jeunes, un accès aux savoirs dont ils ont besoin grâce à internet, mais surtout un moyen de communiquer avec le monde. Par ailleurs, il s’agit ici de la concrétisation d'un Velirano du Président Andry Rajoelina à la population, notamment en ce qui concerne l’accès à une éducation décente pour tous, ainsi que la modernisation de Madagascar à travers les nouvelles technologies et le numérique. Le Chef de l’État s’est ensuite rendu à la congrégation des Sœurs Filles de la Charité - Sahan’i Maria qui accueille les personnes victimes de malnutrition. Le Président Andry Rajoelina a offert aux sœurs de la congrégation, des vivres afin de les soutenir dans leurs actions en faveur des familles démunies du Sud.
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 janvier 2021 10:05
    • Photos Fournies

    Palais d’État d’Iavoloha : Cérémonie en l’honneur des lauréats aux examens officiels 2020 de Madagascar

    Le Président de la République a procédé, ce 15 janvier 2021, à la remise des prix d’excellence aux lauréats durant les examens du Baccalauréat, de BEPC et de CEPE de l’année scolaire 2019-2020. Lors de la cérémonie qui s’est tenue au Palais d’État d’Iavoloha, les 66 lauréats aux examens officiels, issus des 22 régions de Madagascar, ainsi que la benjamine - âgée de 13 ans - à l’examen du Baccalauréat, ont reçu leur attestation d’excellence ainsi que divers cadeaux. Les lauréats aux examens du Baccalauréat ont été dotés notamment d’un ordinateur portable ainsi qu’un abonnement à internet pour une durée d’un an. Andry Rajoelina a annoncé que l’État malagasy facilitera la recherche de bourses extérieurs pour les bacheliers qui désirent poursuivre leurs études à l’étranger. Pour ceux, qui souhaitent rester au pays, l’État prendra également en charge leur accès à l’université de leur choix.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 20:22
    • Sary nindramina

    Kere any Atsimo : Hanampy ireo Mponina misedra olana ny Vondrona Bohra

    Nihaona tamin’ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Michelle Bavy Angelica tetsy amin'ny birao fiasan'ity farany etsy Ambohijatovo ny delegasiona Karana ao amin’ny Vondrona Bohra, androany. Voaresaka tao ny fomba ahafahan’ny roa tonta miara-miasa akaiky mba hitondra tombontsoa ho an’ny mponina eto Madagasikara. Hanao tolo-tanana ho an’ireo Mponina misedra ny kere any Atsimo izy ireo. Eto Antananarivo indray dia hanamboatra toeram-pidiovana amin’ny faritra Besarety, Isotry, Tsaralalana ; hanorina fanasan-damba ireto karana ireto ary koa hametraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ireo faritra mbola maizina. Hanolotra sakafo masaka ho an’ireo zokiolona ny Vondrona Bohra, ny sabotsy 16 janoary ka an’arivony no kendreny hisitraka izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 11:25
    • Sary : Ministeran’ny Fahasalamana

    Fitsaboana aretin’ny voa : Nanolotra milina fanadiovana rà miisa 18 ny fikambanana « Aurar »

    Nanolotra « générateur de dialyse » na milina fanadiovana rà miisa 18, sy ireo kojakoja ary akora manaraka izany ny Fikambanana « Aurar » avy ao amin’ny nosy rahavavy La Réunion, ho fandraisany anjara amin’ny fitsaboana ny aretin’ny voa eto Madagasikara. Ho tsinjaraina ho an’ny HJRA, CHU Befelatanana, ary CHU Analankinina Toamasina ireo fitaovana ireo mba ahafahan’ny vahoaka misitraka izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 08:49

    Hetsika “Sangany sy Voafehiko” : Hotolorana mari-pankasitrahana ireo Mpianatra sy Mpampianatra mendrika indrindra manerana ny Faritra 22

    Hotoloran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mari-pankasitrahana ireo Mpianatra sy Mpampianatra mendrika indrindra manerana ny Faritra 22 nandritra ny fanadinam-panjakana (CEPE, BEPC, BAC) taona 2020. Hatao eto Antananarivo anio 15 janoary 2020 ny lanonana mahakasika izany ao anatin’ny hetsika “Sangany sy Voafehiko”. Natao hanomezana lanja ny ezaka vitan’ny tsirairay, fampirisihana sy fanomezana risi-po azy ireo ity hetsika ity mba hanoy hatrany ny ezaka rehetra natao hatramin’izay, mba hahazoana vokatra tsara, fa indrindra hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana. Haharitra telo andro ny fandraisan’ny ministera an-tanana an’ireo mpianatra miisa 88 sy mpampianatra miisa 41, ka tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo ny fiatrehana hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto, ny fitsidihana orinasa, ny oniversite Ankatso, ny Hôtel de Ville Analakely, Rova sy ny valan-javaboary ao Tsimbazaza ary ny fijerena sary mihetsika ao amin’ny Plaza Ampefiloha.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 08:44
    • Sary nindramina

    Andian'olona maro tonga ao Fianarantsoa : Nandray andraikitra avy hatrany ny fitondram-panjakana

    Mpifindra monina noho ny kere sa nisy nampanantena asa ? Andian'olona maro avy any atsimo no tonga manao andiany ao Fianarantsoa ny fiandohan'ny herinandro ity. Nidina tao amin'ny Toby fiantsonana Ankazondrano-Fianarantsoa nihaona tamin'ireo olona izay nanana olana teo amin’ny fifandraisana sy ny fitaterana avy any amin'ny Faritra atsimon'ny Nosy hihazo ny Faritra avaratry ny Nosy, ny Minisitry ny Mponina sy ny Goverinoran'ny Faritra Mahatsiatra Ambony, ny Prefet-n'i Fianarantsoa niaraka tamin'ireo Talem-paritra, hamahana ny olan'ireo. Nisy ny vahaolana naroso avy hatrany ka anisan'izany ny trano hitobian'izy ireo vonjimaika izay eny amin'ny CERES Ambalakely, ka samy nizarana lamba firakotra tsirairay avy, miaraka amin'izay ny fiantohana azy ireo mandritra ny fotoana ijanonan'izy ireo eny an-toerana. Hisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsaboana ary ny fizarana fanafody maimaimpoana ho an'ireo izay mila izany. (Jereo Sary Tohiy)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 18:40
    • Sary nindramina

    INSTAT : Mitaraina ireo mpiasa "de droit privé"

    Sady mitaraina ireo mpiasa "de droit privé" ao amin’ny INSTAT no mangataka ny mba hijerena manokana ny momba azy ireo. Misy ny tsy fitoviana eo amin’ny fitantanana ny mpiasa kanefa dia mitovy tanteraka amin’ny an’ireo mpiasa-mpanjakana (fonctionnaires) ihany ny asa rehetra sahanina. Tsy nisitraka ny fiakaran-karama 13 % izay nolaizan’ny filoham-pirenana, namafisin’ny didim-pitondrana 2020-006 ny 10 janoary 2020, izy ireo. Tsy mahazo "remboursement des frais médicaux" sady tsy misitraka ny tombotsoa amin’ny CNaPS satria mbola tsy voaloan’ny tompon'andraikitra ny latsakemboka. Tsy misitraka ny "poste budgétaire" na "remplacement numérique" izy ireo nanomboka ny taona 2015 kanefa ny mpiara-miasa teo aloha dia nisitraka izany. Efa mihoatra ny enina taona farafahakeliny, ary telopolo taona farafahabetsany no niasan’ireo mpiasa "de droit privé" ireo tao amin’ny INSTAT.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 janvier 2021 10:19
    • Sary nindramina

    Vokatry ny “tiomena” : Rano iray bidon vidiana 2 000 Ariary aty Atsimo

    Voatery manadio vovo isaky ny roa andro ny tompom-bovo noho ny fisian’ny tiomena aty Atsimo. Misy ireo vovon-drano no simba ka tsy azo ampiasaina intsony noho ny fanesorana fasika matetika loatra izay mampihotsaka ny ao anatiny. Nisondrotra, noho izany, ny vidin-drano ka sandaina 500-600 Ariary ny eran’ny bidon mavo iray, raha eny an-tanàn-dehibe.“Mahatratra 2 000 Ariary kosa izany any ambanivohitra raha mahita ho vidiana”, hoy ny mpampita vaovao iray any Ambovombe Androy. Lasa 6 000 Ariary kosa ny iray barika raha 3 000 Ariary na 4 000 Ariary ny vidiny mahazatra. Samy hafa amin’ny tiok'atimo ny tiomena, izay tafiotra miendrika tadio lehibe, miaraka amin’ny jofon-tany matevina.Tombanana ho 15 kilometratra isan’ora ny fikisahany, raha mahatratra 25 ka hatramin’ny 50 kilometatra isan’ora ny an’ny tiok'atimo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 janvier 2021 11:36
    • Tahirin-tsary nindramina

    OTIV Boeny : Tsy maintsy haverina ny ampahany amin’ny volan’ireo mpikambana

    Ny fanjakana, amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy, no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV Boeny. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 décembre 2020 16:51
    • Sary nomena

    Krismasy 2020 : Nizara fanampiana ho an’ireo ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo aty atsimo ny AM.MI

    Nandray ny adidy tandrify azy ny AM.MI « Ambanivolo Miakatra » tarihin'ny Filoham-boninahiny Rakotomamonjy Jean Rodriguez amin'izao andron’ny Noely izao, izay fotoana indrindra hifampizarana fitiavana sy ifanomezan-tanana. Amin’ny maha fikambanana miahy ny maha olona azy dia nahatsiaro manokana ireo mpiray tanindrazana ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo aty amin'ny faritra atsimon’ny Nosy ny AM.MI. Notanterahina ny andron’ny Krismasy 25 Desambra 2020 izany, ka ireo zokiolona, vehivavy mitondra tena, terabao, kilemaina ary ankizy tamin'ny tokantrano miisa 600 teo no nisitraka izany fanampiana izany tao amin'ny Fokontany Ampary sy Andaza, Kaominina Anjampaly, Distrika Tsihombe. Vary 200kg, rano 800 litatra, miampy legioma 6 taonina ary bisiky 17 baoritra no nozaraina tamin’izany, sady nirary fety sambatra ho an’ny Malagasy rehetra ny AM.MI. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 227