Andron'ny manamboninahitra : Semban-drahona ny fankalazana tamin'ity taona ity

  • mardi, 12 janvier 2021 19:47
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nandray anjara tamin'ny fankalazana ny Andron'ny Manamboninahitra niaraka tamin'ny Vondrona Mpiaro ny Filoha eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany 12 janoary 2021.

Semban-drahona ny fankalazana tamin'ity taona ity noho ny fahalasanan'ny lehiben'ny Etamajaorin'ny Tafika anabakabaka, ny Général de Brigade Aérienne Radona Ellis Ratiarivelo, izay nodimandry ny 11 janoary 2021.

Toy ny isan-taona dia ny manamboninahitra zandriny indrindra no nitondra ny fibaikona nandritra ny lanonana fananganan-tsaina, narahin'ny fanolorana ny gisa ho an'ny Filoham-pirenena ary ny fanatanterahana ny hazakazaka ara-piralahiana teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha.

Nanantitra ny fiarahabana ireo manamboninahitra manerana ny Nosy ny Filoha Andry Rajoelina ary nohamafisiny hatrany ny fanohanany foloalindahy sy ny famerenana indray ny hasin'ny Tafika malagasy izay tandroka aron'ny vozona miaro ny vahoaka malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.