Fifidianana Loholona : Raikitra ny fampielezan-kevitra

  • jeudi, 19 novembre 2020 19:29
  • Zakaria

Nanomboka androany alakamisy 19 novambra tamin’ny 6 ora maraina ny Fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana LOHOLONA, ary hitohy hatramin’ny alarobia 9 desambra amin’ny misasakalina.

Hotanterahina ny andron’ny 11 desambra 2020 ny latsabato.

Mpifidy vaventy miisa 12 465 manerana ny Nosy no antsoina hanefa ny adidiny amin’izany, izay mitsinjara ho 2 428 ho an’ny Faritany Antananarivo, Antsiranana : 1 414, Fianarantsoa : 3 144, Mahajanga : 1 785, Toamasina : 1 854 ary Toliara : 2 140.

Nanamafy ny Tiako I Madagasikara, nandritra ny fivoriany omaly, fa tsy mandray anjara amin’io fifidianana io.

Miisa 14 ireo lisitra hifaninana, ka :

Faritanin'Antsiranana (lisitra miisa 3)
- Isika rehetra miaraka amin'i Andry RAJOELINA
- Indépendant LEMOINE Soloniaina Hermann
- Indépendant BEMATANA Martin

Faritanin'i Mahajanga (lisitra miisa 1)
- Isika rehetra miaraka amin'i Andry RAJOELINA

Faritanin'i Toamasina (lisitra miisa 3)
- Malagasy Miara-Miainga
- Indépendant MBAHIRAY
- Isika rehetra miaraka amin'i Andry RAJOELINA

Faritanin'Antananarivo (lisitra miisa 3)
- Isika rehetra miaraka amin'i Andry RAJOELINA
- Malagasy Miara-Miainga
- Indépendant FALY

Faritanin'i Fianarantsoa (lisitra miisa 2)
- FANOROLAHY – IAD
- Isika rehetra miaraka amin'i Andry RAJOELINA

Faritanin'i Toliara (lisitra miisa 2)
- Indépendant Vahoaka Miray Mandroso
- Isika rehetra miaraka amin'i Andry RAJOELINA

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.