Toamasina: Misitraka tetik’asa maro

  • mercredi, 18 novembre 2020 09:13
  • Tigre
  • Sary nomena

Tonga aty Toamasina ny Delegasiona avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy mpikambana amin’ny Governemanta izay tarihin’ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA.

Eo an-daniny ny fanatrehana ny lalaon’ny ekipam-pirenena BAREA, dia manana fandaharam-potoana mafonja ny Fitondram-panjakana. Dia lanonam-pitokanana sy fitsidihana asa goavana eto an-drenivohitra Betsimisaraka sy ny manodidina :

- Fitokanana ny làlana mamakivaky ny tanànan’Analankininina ka mipàka any Morafeno,
- Fitokanana ny PACT na ivon-toeram-panofanana tantanin’ny orin’asa SPAT,
- Fanombohana ny ampahany amin’ny tetik’asa MIAMI,
- Fanombohana ny asa lehibe fanarenana ny arabe RATSIMILAHO mampitohy ny moron-dranomasina tapany avaratry ny tanàna, làlana izay tapaka efa ho 35 taona izay.

Mitohy ny Alarobia 18 novambra izany fitsidihana izany, ka anatin’ny programa ny fitsidihana ireo orinasa mpamokatra eto an-toerana.

Ireo programa rehetra ireo dia manamafy ny vinan’ny Fitondram-panjakana ny hanatsara ireo foto-drafitr’asa fototra maro eto Toamasina, ny fanatsaràna tambazotran-dàlana izay mora simba noho ny hafitsoky ny orana, fameloma-maso ny endriky ny tanàna, ary ny fampiroboroboana ny fizahan-tany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.