Antenimieram-pirenena : Hanomboka ny Talata 20 oktobra ny fivoriana ara-potoana faharoa

  • mercredi, 14 octobre 2020 16:16
  • Zakaria

Araka ny andininy faha - 75 voalaza ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia mivory indroa isan-taona ny Antenimieram-pirenena, ka ny fivoriana faharoa amin’izany dia ny Talata fahatelo amin’ny volana oktobra, fivoriana izay natao indrindra handinihana ny Teti-bolam-panjakana ho amin’ny taona manaraka.

Hanomboka ny 20 oktobra 2020 ho avy izao izany fivoriana ara-potoana faharoa izany. Hotanterahina eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fanokafana ny fotoam-pivoriana, manomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.