Oniversitem-panjakana: Misedra olana ara-tany avokoa

  • samedi, 12 septembre 2020 13:32
  • Zakaria
  • Sary fanehoana nindramina

Nanao fanambarana ny SECES sampana Antananarivo taorian’ny loza nitranga tao Maninday, Oniversiten’i Toliara ny 10 septambra 2020 ka nahamay an’ireo tranovondro ipetrahan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

amin’ny ankapobeny.

Mampahatsiahy sy manaitra ny fitondram-panjakana amin’ny fisian’ny olana ara-tany ao amin’ny Oniversiten’i Toliara sy eo anivon’ireo Oniversite rehetra manerana ny Nosy, ary ireo Foibem-pikarohana Nasionaly ny SECES sampana Antananarivo manoloana izao fatiantoka lehibe mianjady amin’ny mpianatra sy ny Oniversiten’i Toliara izao.

Manainga ny mpitondra fanjakana mahefa ihany koa ny SECES sampana Antananarivo mba hitondra vahaolana azo tsapain-tanana sy mahomby ary maharitra hamahana an’ireo olana anankiroa mifandray ireo, dia ny olana mikasika ny tanin’ireo Oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo Foibem-pikarohana Nasionaly sy ny olana mikasika ny toeram-ponenan’ny mpianatra.

Ny SECES sampana Antananarivo dia manantena fa hisy fandraisana andraikitra ahazoana toky fa tsy hiverina eo anivon’ireo anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana sy ireo Foibem-pikarohana Nasionaly intsony ny loza toy ireny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.