26 jona: Manaja ny fepetra fihibohana Marc Ravalomanana

  • samedi, 27 juin 2020 12:03
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nandritra ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan'ny fahaleovantena, sy ny fijoroan'ny Foloalindahy, dia nisy matso lehibe tsy azo natreham-bahoaka tetsy amin'ny araben'ny fahalevantena Analakely ny 26 jona.

Nisy ny fanasana ireo filoham-pirenena teo aloha hanatrika an'izany, nasaina ihany koa ny filohan'ny andrim-panjakana, ireo filoham-piangonana, ireo mpanjaka, Tangalamena, mpitana Hazomanga, ireo masoivoho, ny solotenan'ny Governemanta, ireo tompon'andraikitry ny Foloalindahy, ary ireo mpanao gazety.

Raha tazana teny an-toerana ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka, ny praiminisitra nitantana ny tetezamita Norbert Lala Ratsirahonana, dia tsy hita teny kosa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, sy Hery Rajaonarimampianina.

Ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimanana dia tsy eto an-tanindrazana amin'izao.

Rehefa nanontaniana kosa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia nanazava izy, fa ny mpitondra no tokony hanome ohatra voalohany ho an'ny rehetra.

Nahazo fanasana tokoa izy, fa noho ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny mpitondra amin'ny fihibohana, dia voarara ny fivorivoriana mihoatra ny 50, ka manaja izany lalànan'ny fihibohana izany, amin'ny maha tompon'andraikitra manome ohatra amin'ny fanajàna ny lalàna azy izay izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.