Transparency International Initiative Madagascar: Mahafaty toy ny Covid-19 koa ny kolikoly!

  • jeudi, 21 mai 2020 22:46
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mety hampiroborobo ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana, ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra amin'izao ady amin'ny Coronavirus izao.

Zonao ny mitaky izany na anaty hamehana aza. Namolavola Boky kely "Torohay ho an'ny Olompirenena iadiana amin'ny kolikoly ao anatin'ny Covid-19" ny Transparency International - Initiative Madagascar (TI-MG), tohanan'ny Masoivoho Soisa.

Nampafantarina ny daholo be izany teto amin'ny biraon'ny TI-MG, tamin'ny alalan'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ary nozaraina teny an-dalambe ho ampiasain'ny rehetra.

Tadidio fa “Virus” mahafaty toy ny Covid-19 koa ny kolikoly, hoy ny TI-MG, ary tandremo ihany koa ny vaovao sandoka, ary aza manaiky rebirebena fa fakafakao tsara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.