Toamasina: Hafa kely ny ankitsapaka omaly

  • mardi, 24 septembre 2019 18:48
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary fampiaingoana

Tontosa omaly alatsinainy 23 septambra 2019 ny ankitsapaka nandaharana ao anaty biletà tokana ireo kandida Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna eto amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina.

Efatra ireo kandida Ben’ny tanàna, telo kosa ireo lisitra hifaninana amin’ny toeran’ny mpanolontsaina. Hafa kely ny vokatry ny ankitsapaka, satria dia nitovy ny laharan’ny kandida Ben’ny tanàna sy ny lisitra mpanolontsaina miaraka aminy voasarika nandritra io ankitsapaka io.

Voasarika hitondra ny laharana voalohany ao amin’ny biletà tokana ho an’ireo kandida Ben'ny tanàna ity i Nantenaina, kandidan’ny IRD. Mbola laharana voalohany ihany koa ny lisitra mpanolontsaina miaradia aminy.

Voasarika ho eo amin’ny laharana faharoa ny kandida tsy miankina Me Tody Arnaud. Mbola laharana faharoa koa ny mpanolontsaina miaradia aminy.

Ho laharana fahatelo amin’ny bileta tokana taorian’ny fisarihana i Roland Ratsiraka, kandidan’ny filohan’ny antoko MTS (Malagasy Tonga Saina). Mbola io laharana ihany koa no voasarika ho an'ny mpanolontsaina miaraka aminy.

Ho laharana fahaefatra i Yvan Fabius, kandida tsy miankina amin’ny fifidianana Ben'ny tanàna. Tsy manana lisitra mpanolontsaina kosa ny tenany.

Delegasiona manokana tarihin-dRazafimanana Jean Christain, no mitantana ny tanànan'i Toamasina nanomboka tamin'ny jona 2019 rehefa naato tamin'ny asany ny Ben'ny tanàna voafidy teo aloha, Elisé Ratsiraka, ity farany rahateo nirotsaka hofidiana solombavam-bahoaka tao amin'ny Distrika Mahanoro tamin'ny aprily 2019 teo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.