Fifidianana kaominaly: Henika kandida Ben’ny tanàna ny Kaominina rehetra

  • samedi, 14 septembre 2019 20:29
  • Zakaria
  • Sary Njaka

Misy kandida mpirotsaka fidiana ho Ben’ny tanàna avokoa ireo Kaominina miisa 1 695 manerana ny Nosy. 6129 ny isan’ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana voaray teny anivon’ireo OVEC (Organe de Vérification et d'Enregistrement des Candidatures) miisa 119.

Kaominina roa ao anatin’ny Distrikan’Ambatondrazaka, dia Antsangasanga sy Amparihitsokatra, amin’ireo Kaominina miisa 1 695 manerana ny Nosy kosa no tsy nisy firotsahan-kofidiana ho mpanolontsain’ny tanàna voaray teny anivon’ny OVEC. Miisa 4 609 ireo antotan-taratasy firotsahan-kofidiana voaray, izay mitsinjara amin’ireo Kaominina 1 693.

Tapitra rahampitso ny 72ora hanamarinan’ny OVEC ireo antotan-taratasy firotsahan-kofidiana voaray teo anivony. Manome fotoana hatramin’ny 26 septambra 2019 ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), hamoahana ny lisitra ofisialin’ireo kandida Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna nahafeno fepetra voalazan’ny lalàna.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.