CENI: Namoraina ny fandraisana ny taratasim-pirotsahana kandida Ben'ny Tanàna

  • samedi, 14 septembre 2019 17:00
  • Njaka
  • Sary Njaka

Tapitra tamin'ny 12 septambra lasa teo ny fe-potoana farany nametrahana ny antotan-taratasy amin'ny fifidianana ben'ny tanana sy ny mpanolontsainan'ny tanana, izay atao amin'ny 27 novambra ho avy izao, teny anivon'ny OVEC manerana ny Madagasikara.

Hita taratra fa dia malaindaina ihany ny taha-pavitrihina ho an'ireo kandida, nefa tamin'ny andro farany vao tonga ny atotan-taratasy amin'arivony maro.

Izay toe-javatra izay no nanery ny CENI tsy maintsy handray fepetra manokana mba ahafahana mandray ireo antota-taratasy an'arivony, izany hoe ny olona rehetra izay hametraka atonta-taratasy filatsaha ho fidiana ka tonga talohan'ny dimy ora hariva, dia nomena laharana avokoa ary natao izay nahafahana nandray azy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.