Madagasikara sy Vatican: 52 taona nifandraisana ara-diplaomatika

  • samedi, 07 septembre 2019 10:28
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote

Ny taona 2017 no nankalazana ny faha-50 taonan'ny fifandraisana diplomatika teo amin'i Madagasikara sy Vatican.

Amin’ny maha filoham-panjakana ny Papa Ray Masina Fransoa dia hihaona amin’ireo filohan’ny andrim-panjakana, ny fiaraha-monim-pirenena ary ireo masoivoho eto amintsika eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny tenany ny marainan’ity sabotsy 7 septambra 2019 ity.

Aorian’izay dia hitsidika an-dry masera karmelita eo Ampasanimalo i Papa Fransoa, sady mamarana ny fandaharam-potoanany ny tapakandro maraina.

Ny tolakandro dia hisy ny fihaonany amin'ireo Evekan'i Madagasikara eny amin'ny Katedraly Andohalo, hiarahaba azy eny koa ny FFKM. Aorian'izay dia hitsidika ny Chapelle misy ny fasan'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo izy.

Hamarana ny fandaharam-potoanany anio ny fiarahany manao alim-bavaka miaraka amin'ny Tanora eny Soamandrakizay.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.