Politique

    • vendredi, 30 octobre 2020 21:38
    • Zakaria

    Tetibola 2021 : Nodinihana sy nolaniana teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra androany ny volavolan-dalàna

    Nodinihana sy nolaniana teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra androany 30 0ktobra 2020 ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola sy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2021, ary natolotra any amin’ny Antenimieram-pirenena, hodinihan’izy ireo mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena, araka ny voafaritra ao anatin’ny Lalàmpanorenana, ny andininy faha 75, tapany faharoa. Natao tamin’ny alalan’ny « visioconference » ny filankevitry ny minisitra androany notarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary nahitana ny praiminisitra sy ireo minisitra isan-tokony.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 30 octobre 2020 16:22
    • Zakaria

    Fifidianana Senatera : Nankatoavina avokoa ireo lisitra 14 hifaninana

    Lisitra firotsahan-kofidiana miisa 14 no hifaninana amin’ny fifidianana Senatera hotanterahina amin’ny 11 desambra 2020. Ny IRMAR no hany manana kandida amin’ny Faritany enina.Toerana 2 isaky ny Faritany no ifaninanana.Toerana 12 amin’ireo 18 handrafitra ny Antenimierandoholona amin’ny endriny vaovao no hofidian’ny mpifidy vaventy ; fahefana omen’ny Lalampanorenana ny filohan’ny Repoblika koa no manendry ny 1/3, izany hoe ireo 6 hameno azy ho 18. Notanterahina androany ny antsapaka nandaharana ireo mpifaninana ao min’ny bileta tokana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 26 octobre 2020 21:40
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Seychelles : Voafidy « 1er tour » i Wavel Ramkalawan

    Nitsimbadika ny tantara atsy Seychelles. Lasan’ny mpanohitra ny fitondrana, izay sambany tao anatin’ny 40 taona mahery. Voafidy tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny salanisam-bato 54,90% i Wavel Ramkalawan, nanoloana ny filoha amperinasa Danny Faure. Ity farany izay nahazo 43,50%.Telo ny mpifaninana, ka Alain 1,60% ny vato manankery no azon’i Alain St. Ange. 59 taona izao i Wavel Ramkalawan. Presbitera anglikana ity farany, ary fanindroany izao no nirotsahany hofidiana filoham-pirenena. Kandidan’ny Linyon Demokratik Seselwa (LDS, Union démocratique seychelloise) izy. Niaiky ny fahareseny, ary niarahaba izao fahalanian’i Wavel Ramkalawan izao ny filoha Danny Faure. Nahazo depiote 25 ihany koa ny antoko LDS, izay 2/3 ny toerana eo anivon’ny Parlemanta.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 octobre 2020 16:49
    • Christophe Bélier
    • Photo Net

    Réforme des PAC : La diablerie dénoncée

    Des acteurs du milieu judiciaire malagasy, exaspérés par la corruption, qualifient de suicidaire l’initiative d’Idealson visant à réformer les pôles anti-corruption (PAC). La démarche du député de Madagascar élu à Ampanihy Andrefana, un magistrat reconverti à la politique, cache une diablerie suivant lesdits acteurs du milieu judiciaire.Selon leurs dires, l’entreprise du parlementaire entérinera la corruption dans le système judiciaire du pays. La proposition de loi initiée par le député sur la réforme des (PAC) a été votée in extrémis à l’Assemblée Nationale lors de la session précédente.Les innovations majeures de cette réforme portent sur la suppression de la compétence du PAC en matière d’infractions économiques, la suppression de la confiscation avant condamnation, la diminution de la durée du mandat, la présidence du comité de suivi évaluation par le garde des sceaux.
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 octobre 2020 21:20
    • Balita

    Fifehezana ny Covid-19 : Nanadino zavatra iray manan-danja Razanamahasoa Christine

    Niarahaba manokana ny filoha Andry Rajoelina ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine noho ny fifehezana ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19. Anisan’ny nasongadiny tamin’ny kabary fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimiera izany nandritra ny lanonana mahazatra notontosaina tao amin’ny toeram-pivoriana iraisam-pirenena CCI Ivato androany faha-20 oktobra misandratr’andro. Ny filoha no “mpitari-tafika” tamin’ny ady, no sady filohan’ny fahefana mpanatanteraka koa, dia rariny raha any aminy no miantefa ny fiarahaban’ny filohan’ny andrim-panjakana iray mpanao lalàna. Angamba hadinon-dRazanamahasoa Christine anefa fa anisan’ireo nindaosin’ny fahafatesana noho io valanaretina io ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Morombe Rakotomalala Lucien ny alin’ny 7 jolay.
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 octobre 2020 08:30
    • Zakaria

    Parlemanta : Hiatrika fivoriana ara-potoana manomboka anio

    Araka ny andininy faha-75 amin’ny Lalampanorenana dia mivory ara-potoana ny Antenimieram-pirenena manomboka ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra, fivoriana natokana indrindra handinihana sy handaniana ny tetibolam-panjakana. Mihatra ho an’ny Antenimierandoholona ihany koa io fepetra io. Mifanojo amin’ity 20 oktobra 2020 ity io talata fahatelo amin’ny volana oktobra io. Haharitra 60 andro ny fotoam-pivoriana.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 16 octobre 2020 21:24
    • Zakaria
    • Photos fournies

    Antsohihy : Hôte du Premier Conseil des Gouverneurs de Madagascar

    Au terme de sa descente à Antsohihy, le Président Andry Rajoelina a présidé successivement un Conseil des Ministres décentralisé et le tout premier Conseil des Gouverneurs des Régions dans l'enceinte du bureau de la Région Sofia, ce jeudi 15 octobre 2020. Pour ce premier Conseil des Gouverneurs, le Président de la République a souligné l'importance de l'organisation de ce rendez-vous au niveau de l'une des 22 régions au moins une fois tous les 45 jours, afin de suivre de près les projets en cours de réalisation. La nomination des Gouverneurs des Régions reflète la volonté réelle du Gouvernement de concrétiser la décentralisation effective et accélérer le processus de développement, selon le Chef de l'État. Il a ainsi rappelé la mission de chaque Gouverneur qui est chargé de l'identification, de la programmation et de la mise en œuvre des projets de développement appropriés à sa propre région.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 14 octobre 2020 16:16
    • Zakaria

    Antenimieram-pirenena : Hanomboka ny Talata 20 oktobra ny fivoriana ara-potoana faharoa

    Araka ny andininy faha - 75 voalaza ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia mivory indroa isan-taona ny Antenimieram-pirenena, ka ny fivoriana faharoa amin’izany dia ny Talata fahatelo amin’ny volana oktobra, fivoriana izay natao indrindra handinihana ny Teti-bolam-panjakana ho amin’ny taona manaraka. Hanomboka ny 20 oktobra 2020 ho avy izao izany fivoriana ara-potoana faharoa izany. Hotanterahina eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fanokafana ny fotoam-pivoriana, manomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 14 octobre 2020 15:35
    • Balita
    • Sary nindramina

    Ny 14 oktobra no tena fetim-pirenena malagasy

    Isaky ny 14 oktobra fa tsy isaky ny 26 jona no tsara mifampiarahaba noho ny fahatongavan’ny fetim-pirenena ny Malagasy. Ny datin’ny faha-14 oktobra no tena fetim-pirenena malagasy fa tsy ny faha-26 jona, araka ny mahazatra ny maro isan-taona tsy akory. Manambara izay mazava tsara, ny hitsivolana 60-062 tamin’ny 20 jolay 1960, araka ny voarakitra ao amin’ny Gazetim-panjakana tamin’ny faha-23 jolay 1960. Mbola mitoetra ho lalàna manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakana hatrany izany hitsivolana izany.Tsy mbola nisy mihitsy ny hitsivolana manafoana ny fisiany hatramin’ny anio.Ny datin’ny faha-14 oktobra rahateo no taloha fa tsy ny faha-26 jona.
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 octobre 2020 11:48
    • Christophe Bélier

    Equipe du feu Pr Albert Zafy : Des manifestations du 13 au 18 octobre

    Les partisans du feu Pr Albert Zafy tiendront sur la Place de la démocratie au jardin d’Ambohijatovo, Antananarivo, une série de manifestations autour de la célébration du 62e anniversaire de la naissance de la République Malagasy. Placées sous l’égide du président Andry Rajoelina, toutes les manifestations sont ouvertes au public dans l’après-midi du 13 octobre jusqu’au 18 octobre.La cérémonie d’ouverture officielle aura lieu mardi 13 octobre 2020 à 9 h 30. Pour les journalistes invités à couvrir l’événement, la mise en place pour l’inauguration de la stèle dédiée au père de la démocratie, suivie d'une exposition, sera terminée à 9 h 30. L’exposition restera ouverte au public du 14 au 18 octobre 2020 de 10 h à 17 h.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 138