Filtrer les éléments par date : jeudi, 07 janvier 2021

Pilo kely : Tsy manana lesona omena an'izao tontolo izao mikasika ny demokrasia intsony i Amerika.

Tafandria mandry
Patrick

 

 

Publié dans Pilo kely

Ce jeudi 7 janvier 2021, une délégation composée de quelques représentants du Sénat, dirigée par son président Rivo Rakotovao, était au Palais d’État d’Iavoloha.

Après les échanges de vœux, le Président Andry Rajoelina a exprimé ses remerciements à l’endroit des sénateurs et a exprimé le souhait que les acteurs politiques fassent front commun pour le développement du pays.

« L’amour de notre patrie doit nous unir au-delà des divergences d’opinions » a ajouté le Chef de l’État.

Arrivés au terme de leur mandat, les sénateurs ont obtenu de chaleureuses reconnaissances du Président de la République pour l’accomplissement de leur devoir durant ces cinq années au service de la Nation.

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Ifampizaran’ny vovonana politika IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina) sy ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) ireo toerana miisa 12, ho an’ireo Loholona nofidian’ny mpifidy vaventy ny 11 desambra 2020.

Toerana 10 ho an’ny IRMAR ary 2 ny an’ny MMM.
Vehivavy ny iray tamin’ireo 12 voafidy, lohalisitra MMM voafidy tao amin’ny Faritany Toamasina.

Ireto avy ireo Loholona voafidy isam-paritany, handrafitra ny roa ampahatelon’ny Antenimierandoholona, araka ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana androany alakamisy 7 janoary 2021 :

Publié dans Politique

Nanao hetsika nilanja sorabaventy nanohana ny nataon’ireo ao amin’ny ENS Ampefiloha-Antananarivo ny ENS aty Toliara.

Mahatsapa izy ireo fa voafitaka tamin'ny fampanantenana ny handraisana ireo vita fianarana, mba ho mpampianatra eo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Miantso ny Filoham-pirenena izy ireo hijery ny momba azy ireo, ho fanatanterahana izay fifanarahana efa voasonia.

Nilamina ny hetsika natao teto Toliara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
jeudi, 07 janvier 2021 14:07

ENS Antsiranana : 3 no voasambotra

Nanomboka nanao fitokonana ihany koa ireo mpianatra ho mpampianatra eo anivon'ny ENSET Oniversité Antsiranana androany maraina.

Raikitra ny sakoroka, 03 no nosamborin'ny EMMO, nisy fandorana pneu teo amin'ny CAPR DREN DIANA.

Mitaky ny fampidirana miasa vao vita fianarana ihany koa, toa ny ao amin'ny ENS Antananarivo ny aty Antsiranana.

Nahoana hoy izy ireo ny mpianatra douanier avy dia miasa, ny administrateur civil avy dia mandray ny asa, ny ACMIl, fa ny fanofanana mpampianatra izay ataon'ny fanjakana no tsy miasa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tonga eto anivon'ny sekoly Ecole Normale Supérieure, ENS anio ireo solon-tena avy amin'ny ministeran'y fampianarana, solon-tena avy amin'ny Oniversité an'Antananarivo, solon-tena avy amin'ny Ministeran'ny fampianarana ambony mifandinika miaraka amin'ireo tompon'andraikitra eto anivon'ny sekoly (Tale) sy ireo biraon'ny fikambanan'ny mpianatra miezaka mitady vahaolana. Efa nanomboka tamin'ny maraina teo eo amin'ny 09 ora teo ny fivoriana ary mbola mitohy hatramin'izao.

Arakan'ny nolazain'ny filoha mpitarika ireo mpianatra, raha tsy mahita vahaolana mahafa-po, rehefa vita ny fivoriana dia mivoaka ny sekoly indray maneho ny hevitra eny an-dalambe.

Efa miandry ny filohan'ny mpianatra eo amin'ny parking ao avokoa ny mpianatra rehetra.

Publié dans Tselatra

Ny fanjakana, amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy, no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV Boeny.

Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
jeudi, 07 janvier 2021 11:27

Plan Emergence Madagascar

Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021

Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

 

Publié dans Economie

Nitory ny fitondram-panjakana tamin’ny fanondranana an-tsokosoko ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany.

Tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana io volamena io ao amin’ny Banky Foibe eto Madagasikara. Ary hiroso tsy ho ela ny fitsarana ity raharaha ity eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption.

Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana.

Tsy maintsy hampiharina ny lalàna. Hijoro tsy ho ela ny « Agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

Publié dans Vaovao

Hisy tetik’asa lehibe amin’ny fanoloana ny solosaina sy ireo “logiciel” hanafainganana ny asa manerana ny Boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra.

Hisy ny fananganana trano vaovao na birao ho an’ny Boriboritany fahadimy izay atao eny Analamahitsy na Androhibe.

Hisy kosa tetik’asa roa hipetraka haingana eny anivon’ny Boriboritany izay fiaraha-miasa amin’ny SAMVA. Hiverina amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra koa ny vola hanaovana ny jiro ka ho soloina avokoa ny takamoa na atao “Panneau solaire” mba ho mazava Antananarivo.

Anisany nivoitra ireo raha tonga nitsidika ny mpiasa sy nijery ny zava-misy teny amin’ny biraon’ny Boriboritany fahadimy Ambatomainty ny Ben’ny tanàna an’Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina ny alarobia 06 janoary 2021.

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2