Filtrer les éléments par date : dimanche, 03 janvier 2021
dimanche, 03 janvier 2021 21:33

Mahavidy V8 fa tsy mahavidy fiara pompier

8000 euro dia efa mahazo fiara pompier iray efa niasa 30 000km, fa rehefa hividy fiara V8 isaky ny ministera dia mahavidy 30 000euro ny iray.

Amidio any daholo ireo V8 sy 4x4 ireo, samy omeo karama tsara mifanentana amin'ny andraikiny ireo minisitra sy directeur, tsy mila omena garde corps na mpiasa an-trano na mpamily izany, fa samy mamelona ny tenany.

Tafandria mandry
Patrick

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Pilo kely
dimanche, 03 janvier 2021 13:04

Antsirabe : Rotiky ny afo ny orinasa JOUVE

Nirehitra ny orinasa Jouve Madagascar ao Ambalavato Sud, Kaominina ambonivohitra Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Alina no nitranga ny firehetana, ary dia nanjaka ny afo.

Nisy nahatsikaritra ny niandohan'ny afo, saingy niandry ny tompon'ny orinasa vao azo nidirana ny toerana. Nahery vaika anefa ny afo, ka tsy nisy azo natao.

Tsy manana fitaovana famonoana afo ny tananan'Antsirabe. Misy orinasa manana fiarabe mpamono tsy lavitra ilay orinasa nirehitra, saingy tsy namoaka ny fitaovany ny tao.

Publié dans Tselatra
dimanche, 03 janvier 2021 12:41

RN13 : Tapaka ny tetezana ao Manambaro

Tapaka ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena faha13 miazo an'i Tolagnaro.

Nihotsaka ny tetezana iray ao Manambaro tamin'ny fotoana nandalovan'ny fiarabe teo amboniny. Nihitsoka ao anaty tetezana ilay kamiao.

Tsy nisy aina nafoy.

Anisany ao anaty tetikasan'ny fitondrana ankehitriny ny hanamboatra ity lalam-pirenena faha13 ity, izay nanambaràn'ny filoha Andry Rajoelina fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy vita ity lalana RN13 ity. Efa nilaza moa izy talohan'izay fa tsy hiverina aty raha tsy vita io lalana io.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra