Filtrer les éléments par date : mercredi, 13 janvier 2021

Pilo kely: Alpha Roméo Bravo, taraiky tany Joaboro tany ny fiaramanidina, zao vao nalefandry zalahy, savaina hatrany anaty piné sao misy an'ilay raha hihii, somonga ny ahy.

Efa ela no dodo ny sasany, tsy hainy fa kay misy décalage horaire Jaoboro

Bonne nuit
Patrick

Publié dans Pilo kely
mercredi, 13 janvier 2021 09:18

Diplomasia : Midongy toerana ireo be antitra

Lasa toeram-pamaharana ny masoivoho malagasy any ivelany.

Misy ny fianarana manokana momba ny diplomasia, izay asa ilana fahaiza-manao matihanina satria hifandray amin'ny firenena maro, ary fitaratry Madagasikara any ivelany. Na ireo fomba fifandraisana, na ny teny ampiasaina, eny hatramin'ny akanjo fitafy, misy dikany avokoa, na ny loko ampiasaina aza.

Taona maromaro anefa izay, dia lasa toerana politika ny toerana masoivoho rehetra, satria toerana fandefasana ireo namanamana, na ireo fahavalo politika mihitsy azy, toy ny hoe garazy hipetrahany tsy hitabatabany intsony.

Publié dans Editorial