Filtrer les éléments par date : mardi, 12 janvier 2021
mardi, 12 janvier 2021 21:38

Atody sa vary fotsy

Niakatra 700ar ny vidin'ny atody akoho iray, ny vary iray kapoaka 650ar ny eto Antananarivo renivohitra, hatreto aloha tsy hita ilay vary 550ar ny kapoaka, ilay kaly tsinjo, sakafo masaka isaky ny fokontany 100ariary moa dia efa navalon'ny taona.

Tafandria mandry e.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nandray anjara tamin'ny fankalazana ny Andron'ny Manamboninahitra niaraka tamin'ny Vondrona Mpiaro ny Filoha eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany 12 janoary 2021.

Semban-drahona ny fankalazana tamin'ity taona ity noho ny fahalasanan'ny lehiben'ny Etamajaorin'ny Tafika anabakabaka, ny Général de Brigade Aérienne Radona Ellis Ratiarivelo, izay nodimandry ny 11 janoary 2021.

Publié dans Politique

Tamin’ny alalan’ny tambazotra serasera no nanambaran’i Leda Sandratra Mathieu sy Rakotonirina Jolce Junior fa hapirina ny gaodasiny, ka ijanona tanteraka tsy ho mpilalao baolina kitra amin'ny sehatra avo eto Madagasikara izy ireo.

Hifantoka tanteraka amin'ny asa aman'andraikitra amin'izay izahay ary koa amin'ny fikarakarana ny Ankohonana, hoy ny fanambarana.

Mpiandry harato tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea i Leda, isan’ireo niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny CAN2019 natao tany Ejipta i Leda.

An’isan’ireo mpilalao novolavolain’ny klioba « CNaPS sport football » izy. Maro ny zava-bita tsara nataon’i Leda teo amin’ny sehatry ny baolina kitra teto Madagasikara ary indrindra teo amin’ny klioba « CNaPS sport football », izay nanomezan’ny mpitantana ny klioba azy sy ireo mpiasan’ny CNaPS rehetra manerana ny Nosy ny marim-pankasitrahana ho fankasitrahana azy.

32 taona i Leda izao nanapa-kevitra tsy hilalao izao intsony.

 

Publié dans Sport

Nivory teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Vaomieran’ny « ressources stratégiques » eo amin’ny Antenimieram-pirenena androany 12 janoary 2021 maraina, manoloana ny raharaha fanondranana volamena antsokosoko.

Nanome fanazavana ny filohan’ny Vaomiera Mohamad Ahmad fa efa eny anivon’ny Fitsarana ny famotorana, noho izany dia tsy afaka ny hanangana vaomiera mpanao famotorana intsony ny Antenimieram-pirenena.

Tsy manakana anefa izany ny hitadiavan’izy ireo ny vaovao mari-pototra satria amin’ny maha-solombavambahoaka azy ireo, ary amin’ny maha-raharaham-pirenena ny zava-mitranga dia maro ny vahoaka no mangataka fanazavana sy mitaky ny marina mahakasika izany.

 

Publié dans Tselatra

Mitohy ny fanadiadiana mikasika ity raharaha fanondranana antsokosoko ilay volamena izay tratra tany Afrika atsimo ity.

Efa hitatsika fa nahazo alalana soamantsara hiainga tao Ivato Antananarivo ity fiaramanidin'ny STA 5R-ASB ity ny 31 désambra 2020.

Niainga tamin'ny 5h17 maraina teo Ivato izy, ary nihazo an'i Toliara. Faritra tsy misy radar moa iny faritra iny, fa mitohy kosa ny fifandraisana radio eo amin'ny fiaramanidina sy ny Contrôleur.
Niainga tao Toliara ny fiaramanidina.

07:33

Niditra fifandraisana tamin'ny fiaramanidina ny contrôleur Tana

08:07

Nanome toromarika momba ny fifandraisana amin'i Maputo ny contrôleur Tana, ary nangatana ny hiantsoan'ny mpanamory rehefa hivoaka ny faritry Madagasikara

Publié dans Editorial