Filtrer les éléments par date : vendredi, 04 septembre 2020

Tonga nitarika Lamesa manokana tao amin'ny Orinasa SASM ny Kardinaly TSARAHAZANA Desiré, notronin'ny Père Vicaire Général.

Nanatrika izany ny Governora RAFIDISON Richard Théodore sy ny Préfet RAZAFIARISON Jean Jugus, ary ny mpitantana ny orin'asa SASM (Tale jeneraly, filankevi-pitantanana) sy mpiasa marobe notarihin'ny Talen'ny orin'asa.

Publié dans Economie

Nirehitra omaly Alakamisy 03 septambra ny atoandro ny Collège Privé Salema ao Belinta Mahajanga.

« Raha ny fahitana azy dia niniana satria tsy misy afo ahiana ho tonga eo, fa manamorona arabe maina be ilay trano nirehitra », hoy ny mpitantana ny sekoly.

« Efa fanimpitony » niharan’ny fahamaizana ity sekoly ity, hoy ny fanazavana. Vita amin’ny satrana avokoa ny tafontranon'ny sekoly noho ny antony ara-bola vokatry ny fahamaizana nisesy sy ny toetr'andro mafana aty Mahajanga, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy dia mafana mantsy ny ao ambany tafo satrana.

Publié dans Vaovao
vendredi, 04 septembre 2020 10:16

Vatsy Tsinjo: Sakoroka Ambohipo

Nanomboka omaly ny fizarana ny Vatsy Tsinjo ho an'ny Ambohipo, boriborintany faharoa, Antananarivo Renivohitra.

Tsy natao tety an-toerana ny fizarana na dia misy CEG sy EPP toerana malalaka, fa natao eny amin'ny filalaovam-baolina Oniversité Ankatso.
Omaly alakamisy, efa nisy ny olana, ireo mpisera mpitatitra sy sarety efa nihatrana.

Anio no voalaza hanohizana ny fizarana, efa tonga maraina be ny olona fa ny mpiandraikitra no tsy tonga, fa hoe miandry 2ème vague indray.

Teraka ny savorivory ankilanja sora-baventy sy antso mégaphone eo amin'ny fokontany sy 3 chemins.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra