Filtrer les éléments par date : mercredi, 30 septembre 2020

Pilo kely: 300 000ar ny kojakoja sy vola ilaina mampiditra mpianatra iray hianatra, miandry Tosika Fampianarana ireo Ray aman-dreny, na amin'ny miankina na ny tsy miankina amin'ny fanjakana.

Mila jerena manokana ity fampianarana izay teren'ny Lalampanorenana mihitsy ny ampianarana maimpaimpoana ny zaza hatramin'ny kilasy T9 (3ème) Ambaratonga voalohany (Andininy 24).

Jereo ireo mpampianatra, indrindra ny FRAM, jereo ny sekoly sy ny fotodrafitrasa, aza atao tapi-maso volom-boasary fotsiny, jereo ny programam-pampianarana mifototra amin'ny fampandrosoana isam-paritra.

Na miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana dia mampianatra zaza Malagasy avokoa ireo ka mila fanohanana.

Manao izay anjara biriky vitako aho anampiana ny fampianarana, io no lalana tokana mampandroso antsika, rehefa mahay ny vahoaka, izy ihany no ampandroso ny tenany sy ny fianakaviany.

Tafandria mandry e.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Natolotra taty Ambatondrazaka androany ny mpandrindram-paritra ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara, na HVM Alaotra Mangoro, dia ny solombavambahoaka teo aloha Andrianirina Josoa Marohajaniaina.

Tonga nanolotra azy ny Loholona HVM isany Malo Benoît sy Rafidiarison Jean Rémi Gabriel. Nandritra izany no nanaovan’ireto farany vaky bantsilana fa tsy mahomby izao fitondrana izao, ary diso fanantenana tanteraka ny Vahoaka.

 

Publié dans Politique

Tonga teny amin’ny foiben’ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy) Ampefiloha ny delegasiona avy amin’ny orinasa Tiko androany, nanatitra antotan-taratasy mikasika ny fanapotehana sy fanaovana antsojay amin'ny orinasa TIKO.

Nilaza i Me Hanitra Razafimanantsoa fa Mpisolovavan'ny orinasa TIKO ny tenany tamin'ny vanim-potoan'ny krizy 2009. Maro ny Antotan-taratasin'ady nokirakiraina tamin'izany ho fitakiana ny fahamarinana sy niarovana ny zon'ny orinasa.

Ankehitriny 150 miliara ariary eo no voalaza fa trosa tokony ho efain'ny Tiko amin’ny fanjakana, kanefa 1461 miliara Ariary mahery ny sandan'ny fahapotehan'ny Vondron'orinasa Tiko, nisy orinasa 11 izay tokony honerana, hoy i Me Hanitra sady solombavambahoaka Tiako i Madagasikara.

Publié dans Politique
mercredi, 30 septembre 2020 20:23

Doro tanety mampiasa vorona

Izay mandoro tanety mandoro Tanindrazana, hoy ny fiteny fanentanana ifampitàna isan-taranaka mifandimby.

Misy dia tena misy tokoa anefa ny olom-pirenena maka fahafinaretana amin’ny fandoroana ny tanety, indrindra amin’izao vanim-potoana mahamaina ny tany izao.

Tato ho ato dia manomboka mainty ny lanitr’Iarivo noho ny setroka miainga avy any ambany atsinanana.
Mampiasa vorona toy ny kibobo azo sambo-belona ireo mpilalao afo, araka ny angom-baovao eny amin'ny fiaraha-monina eny.

Rariana vanjan’afokasoka miaraka amin’ny vorodamba ny tongotry ny vorona.
Arehitra ilay lamba ary alefa misidina ilay biby tsy manantsiny.

Publié dans Politique
mercredi, 30 septembre 2020 13:10

Ho antsika Frère d'Arme

Tsy fanaoko ny mitondra kiana ampahabemaso ho antsika miaramila ao anaty Foloalindahy, mahatsiaro ho rahalahy afaka manoro hevitra na izany aza satria iombonana ny fototra niaviana sy hijoroana.

Maro ireo ezaka ataonareo Zandry sy Zoky ankehitriny eo anivon'ny Tafika, Miaramila, Zandary ary Polisy. Anisan'ny ezaka goavana ary misy fandrosoana ny fametrahana ho matihanina ny asa fiarovana eo anivon'ny Foloalindahy, ary miroso amin'ny fanavaozana sy fametrahana ireo rafitra mifandraika amin'ny tanjona tiana ho tratra.

Ny tiako iahaviana dia ny fanamafisana ny fitondran-tena, ny fitsipi-pifehezana ara-miaramila, ny tsy fiarovana izay mania nefa efa nahitsy tamin'ny lalana ratsy nataony.

Ohatra amin'izany, efa tonga ny Lehibe, ny Praiminisitra raha eto amin'ny sary, misafo ny andian-tafika, ny Faneva efa mihatrana, nefa mbola misamaritaka ireo manam-boninahitra aoriana, mbola misy ny mampiasa phone sy manondro izay fandaminana.

Publié dans Editorial

Tetikasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny hametraka toerana hivarotana « voiture d’occasion » etsy Andohatapenaka akaikin’ny kianja Maki.

Kasaina hovitaina alohan’ny faran’ity taona ity ny asa.

 

Publié dans Economie

Namoaka didy ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Antananarivo, fa hisy fifidianana Ben’ny tanàna vaovao ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Mandritsara, Distrikan’i Betafo, Faritra Vakinankaratra taorian’ny nahafaty ny Ben’ny tanàna voafidy farany tao, Rakotondranaivo Roger ny 18 jolay 2020 ka nahabanga io toerana io.

 

Publié dans Politique

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 29 septambra 2020 ny fivoriana ara-potoana izay notanterahan’ny mpanolontsaina monisipaly. Izay haharitra 10 andro ao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Tonga nitarika sy nanokatra izany ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny Filohan’ny filankevitra monisipaly Ralitera Andriamparany.

Ny lahadinika amin’izany dia ny fandinihana ny tetibolan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny taona 2021.

Ho an’ny omaly dia tonga nitafa mivantana tamin’ireo mpanolontsain’ny tanàna sy nitondra fanazavàna ary famelabelarana bebe kokoa, momba ny politikam-pitantanana ankapobeny mikasika ny tetibola 2021 ny Ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina.

Publié dans Politique

Nankalazaina ny 29 septambra 2020 teny amin’ny 1RFI Ivato ny Andron’ny Masina Misely, mpiaro ny mpilatsaka an’elon’aina, izay fanao isan-taona eo anivon’ny Tafika, ka tamin’ity taona ity dia nanome voninahitra izany lanonam-pankalazana izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian.

Lanonana izay teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ary notronin’ny Minisitry ny Filaminana anatiny, ny Tale kabinetran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ireo manamboninahitra Jeneraly, ireo manamboninahitra ambony, ireo manamboninahitra lefitra, ireo miaramila an-daharana, ireo miaramila rehetra eo anivon’ny Rezimanta voalohan’ny hery vonjy taitra, ary ny fianakaviamben’ireo mpilatsaka an’elon’aina.

Publié dans Vaovao

Nirehitra ny alam-panjakana tao amin’ny Station forestière tao Ambatofotsy halina.

Nifarimbona Vondron'olona voaofana amin'ny ady amin'ny afo, ny pompier, olomboafidy, ekipan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy tamin’ny famonoana ny afo.

Naharitra adim-pamantaranandro efatra mahery vao maty tanteraka ny afo.

Alam-panjakana fa tantanina rafitra tsy miankina ny Station forestière ao Ambatofotsy.

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2