Filtrer les éléments par date : mardi, 29 septembre 2020

Taorian'ny nanambaran'ny Kaompania Ethiopian fa hihemotra tsy hampitohy ny any ivelany amin'ny Nosy be, dia niazakazaka ny toe-draharaha, ka dia hitazona indray ny sidina, arak'izay ora sy fotoana efa voatondro.

 

Publié dans Tselatra

Pilo kely: Anangona volamena i Madagasikara ampiakarana ny sandam-bola Malagasy, volamena izay vidiana amin'ny ...Sinoa, izay mitrandraka azy eto an-toerana.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Araka ny lamina napetraky ny mpitondra dia hisokatra amin'ny zotra ivelany i Nosy be manomboka ny 1 oktobra 2020.

Nametraka fangatahana teo anivon'ny ACM sy ny ministeran'ny fitaterana ny kompania Ethiopian ahafahany miasa ampitohy ny any ivelany amin'ny Nosy Be.

Nahazo alalana izy narahina fepetra maro, anisan'izany ny fitondrany ihany mpizahatany manana tapakila mandroso sy miverina.
Tsy azony atao izany ny mitondra ireo tera-tany na monina eto an-toerana, hanainga hanao sera any ivelany na amangy fianakaviana, tsy azony atao ihany koa ny mitatitra ireo voahidy any ivelany nanomboka ny volana mars 2020 hiazo an'i Nosy be.

Publié dans Economie

30 septembre: Journée mondiale de la traduction.

 

Publié dans Fil info

Anisan'ny tetik'asa lehibe tanterahin'ny Faritra Atsinanana amin'ity taona 2020 ity ny fanamboarana làlana isaky ny renivohitry ny Distrika, tafiditra anatin'ny fanamby fanatsaràna endrika ny tanàn-dehibe.

Ao Antanambao Manampontsy, mandroso ny asa fanamboarana ny làlana "en pavés" ho fanatsarana ny endriky ny tampon-tanàna. Efa ho vita ihany koa ny ao antampon-tanànan'i Marolambo ary hotokanana alohan'ny Avandrazagna na "fête des morts" izay fomban-drazana tena anisan'ny mampiavaka ny Betsimisaraka.

Miezaka ny ekipan'ny Governora RAFIDISON Richard Théodore, manatanteraka aty amin'ny Faritra Atsinanana ny toromarika nomen'Andriamatoa Filoham-pirenena hoe tsy misy intsony Distrika tsy ahazo anjara amin'ny asa fampandrosoana izay imasoana.

Publié dans Vaovao
mardi, 29 septembre 2020 16:07

Sandan'ny pétrole: 40.60$ ny baril

Raha tsy nihetsika tamin'ny vidiny ny solika teto Madagasikara, ny lasantsy 4 100ar, ny gazoala 3 400ar, ny solika fandrehatra 2130ar nanomboka tamin'ny 20 jona 2019, dia nihena hatrany izany vidi-tsolika izany teo amin'ny tsena iraisam-pirenena.

Nisy fiakarany kely izy io andro vitsy 1.2%, ka manodidina ny 40.60$ ny baril solika amerikanina WTI, mbola tsy voadio, amaritana ny vidiny eo amin'ny bourse de New York, raha 41.53$ kosa ny baril n'ny Brent, solika Arabo, Afrika ary any Eoropa avaratra.

Ny baril dia eo amin'ny 159 litres eo. Fa amin'ny tonne no famarotana azy io 1tonne = 1208 litres.
Ny solika mbola tsy voadio, tsy misy fitaterana sy hetram-panjakana izany dia any amin'ny 0.26$ na 1010,36 ariary ny litatra.

 

 

Publié dans Economie

Hotanterahina amin’ny 11 desambra 2020 ny fifidianana Loholona. Miisa enina ny fari-pifidianana, dia ireo Faritany enina : Antsiranana, Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina ary Toliara.

18 no isan'ireo Loholona, roa (02) isaky ny faritany ny Loholona fidiana (2/3) ary 6 no tendren'ny Filoham-pirenena (1/3) .

Mpifidy vaventy no mifidy.
Lisitra no fidiana, ary fihodinana tokana.

Ho an’ny Faritany Antsiranana, izay misy Faritra roa dia DIANA (Antsiranana I, Antsiranana II, Ambanja, Nosy Be, Ambilobe) sy SAVA (Sambava, Antalaha, Vohémar, Andapa) ; ahitana Kaominina miisa 152, ary manana mpifidy vaventy miisa 1116.

 

Publié dans Politique

Iarahan'ny rehetra manaiky fa tsy maintsy ny fototra no atao tsara raha te hanana trano mafy sy maharitra.

Ny fampandrosoana ny Malagasy sy Madagasikara dia tsy maintsy miainga amin'ny fampandrosoana ny Fokontany.

Ajanona ity fizarazana isam-poko nolovaina tamin'ny fanjanahan-tany ity, ary hajaina sy omena lanja ny fomba amam-panaon'ny isaky ny faritra.

Mila olona mahay izany ny mitantana ny Fokontany.

Manana licencié, dokotera, injeniera, mihoatra ny 500 000 isika raha ny nivoaka ny oniversité tao anatin'ny 10taona fotsiny no jerena.
Nanao engagement décenal ny ankamaroan'ireo izay nandray bourse, izany hoe nanaiky ny ampiasan'ny fanjakana azy na aiza na aiza mandritra ny 10 taona.

Publié dans Editorial