Filtrer les éléments par date : vendredi, 25 septembre 2020
vendredi, 25 septembre 2020 22:24

Pilo kely: Mbola matahotra piti-drora ny dentiste

Maro ny tsy mbola miasa ireo dokotera mpanamboatra nify, tsy omena tsiny, asa hitondra résultat PCR vasa, nefa toa misy misera mafy koa ity PCR mandeha amina million ity ny vidiny an, nefa fitomboky ny fanjakana ihany no eo amin'ilay certificat fa tsy an'ilay clinique privée.

Ahotsana ranon-tsira ny vava raha manaikitra loatra ny nify e.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Loza mahatsiravina no nitranga tao Ambohibao Fokontany Toakazo, Kaominina Feramanga Nord, Distrika Ambatondrazaka ny 20 hifoha ny 21 septambra 2020.

Vavy antitra, 70 taona, maty nisy namono. Nahitana ratra ary nisy tapaka vatany. Nodoran’ireo olon-dratsy ihany koa ny trano fonenany taorian’izay.

Ny zanany lahy no nampandre ny Zandary, izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Lavon’ny balan’ny zandary i Sely, dahalo raindahiny amin’ny halatr’omby.

Voasambotry ny Quartier Mobile sy ny Fokonolona izy rehefa nifanenjehana taorian’ny asa ratsy nataony ka nahaverezana omby telo, tao Soakija Fokontany Andranomasy, Kaominina Sahambano ny 23 septambra lasa teo.

Sady tsy nisy kara-panondro na pasipaoro tany aminy, fa ny hany nambaran’i Sely dia avy any Ranotsara Sud izy.
Nalain’ny zandary, nentina tamin’ny moto ho ao Ihosy hanaovana famotorana azy ilay dahalo no nitsambikina avy eny ambony moto saika handositra, nanararaotra ny lalan-dratsy.

Tao anatin’izay no nahavoatifitra azy ka namoizany aina, rehefa nikiry nitsoaka tsy nety nijanona.

 

Publié dans Vaovao

Voasambotry ny Zandary teny amin’ny « bord » Mahajanga Be ny 23 septambra 2020 ny « Délégué administratif » iray, niasa tany Manaratsandry.

Voarohirohy amin’ny halatra sy hosoka amin’ny famotsian’omby izy. Voatonona amin’ny raharaha vono olona ihany koa ny tenany.

Efa nanana olana ara-pitsarana ity « Délégué administratif » ity, rehefa nidaroka zandary amperinasa iray tao Marovoay. Nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjimaika anefa izy.

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy iray, 44 taona, mpiasan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena lavon’ny aretina Covid-19 ny 23 septambra teo.

Niandraikitra ny fanaraha-maso ny fizotry fanadinana BEPC 2020 tao amin’ny Cisco Vohipeno izy.

Nanana olana ara-pisefoana ilay mpiasam-panjakana, ka nandray fanapahan-kevitra ny dokotera nandray an-tanana azy handefa azy haingana hotsaboina ao Antananarivo.

Teny an-dalana handeha dia nisy fotoana niatoana kely nisakafo atoandro tamin’ny toeram-pisakafoanana iray tao Ranomafana. Tsy nahatsiaro tena tampoka anefa ilay mpiasam-panjakana ka nentina tao amin’ny CSB2 Ranomafana.

Natao avy hatrany koa ny fitiliana TDR, rehefa hita fa niala aina ary dia fantatra fa mitodra tsimok’aretina coronavirus izy.

Nalevina avy hatrany tao Masomanga, Kaominina Ranomafana ny faty ny 24 septambra vao maraimbe, manaraka ny fepetra ara-pahasalamana.

Efa fantatra avokoa ny toerana nalehany, ary efa noraisin’ny fanjakana ny fepetra tsy hiparitahan’ny valanaretina coronavirus.

 

Publié dans Tselatra

Maty voafititra ny 22 septambra teo raha nikasa hitsoaka taorian’ny nisamborana azy i Ndrema na Bekotaba. Azo ny basy MAS36 fampiasany sy bala ary ny ody gasy.

Dahalo raindahiny amin’ny halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana nampihorohoro tamin’iny faritra Betsiboka sy Distrika Anjozorobe iny izy io.

Bekotaba no voalaza fa tompon’antoka tamin’ny halatr’omby tao Morafeno Kaominina Antakavana, Distrika Ankazobe ny 17 septambra teo.

Natao ao amin’ny Kaompanian’ny zandary Ankazobe ny basy azo tamin’io dahalo io.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny Kaominina Anosibe Ifody (Moramanga, faritra Alaotra Mangoro) sy ny Kaominina Niarovana Caroline (Vatomandry, faritra Atsinanana) hamatsiana rano fisotro madio ny mponina ao aminy.

Mponina maherin'ny 10 000 no hisitraka rano fisotro madio amin’ireo Kaominina ireo.

Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana eo amin’ny governemanta amerikana, amin'ny alàlan'ny tetikasa RANO WASH an'ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) tantanan'ny CARE Madagascar, sy ny Minisiteran'ny rano, ny fidiovana ary ny mponina eo an-toerana, sy ny mpiara-miombon'antoka amin'ny sehatra tsy miankina, izay hitantana ny fotodrafitrasa, ary hiantoka azy ho lovain-jafy sy hanome rano tsara kalitao hatrany.

Publié dans Sociale

Notokanana nandritra ny fandalovan’ny Governoran’ny Rotary International Randriamifidy Hugues Emmanuel ny laboratoara tao amin’ny CEG Razaka.

Fanambin’ny Rotary Club du Lac Alaotra sy ny Rotary Club Anosy Antananarivo ny nanavaozana an’ity laboratoara ity. Vita soamantsara ny asa izay nandaniana 9 tapitrisa Ariary.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny governemanta ny handraisana mpianatra ho zandary miisa 1200 ny taona 2021 eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

 

Publié dans Tselatra

Nangataka ny hananganana distrika Katolika vaovao ny aty Mangambe Sahananto, kaominina ambanivohitra Toamasina faha 2, satria lehibe loatra i Foulpointe izay misy azy ireo ankehitriny.

Tsy misy lalana anefa mampitohy an'i Mangambe sy Ambodiriana izay mirefy 30km eo, ny vokatra tsy mivoaka, ny fifandraisana tsy misy.
Nizara izany fitarainana sy fangatahana izany tamin'i Kardinaly Désiré Tsarahazana, izay sady Arsevekan'ny Toamasina ireo mpino Katolika aty Mangambe, ka dia nanaiky izy ny anaovana an'i Mangambe ho distrika Katolika vaovao ao anatin'ny Diosezin'i Toamasina.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2