Filtrer les éléments par date : mardi, 22 septembre 2020
mardi, 22 septembre 2020 20:00

Pilo kely: 5G hono ilay sokatra

Asa mba ampiharina eto amintsika ny sazy amin'ny antsoina hoe publicité mensongère. Dia misy sahy milaza fa 5G ny connexion omeny, nefa na ny sokatra aza mandresy azy.

Connexion 5G izany 3mn20 ny téléchargement film HD 30GO iray, raha 17min en 4G. Ny antsika lazaina 4G, nefa sary 4Mo aza dia efa difotra.

Samy manana ny 5G ny.

Tafandria mandry e
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Nanao fanambarana ireo Antoko politika sy ny « Collectif des Parlementaires » nivory teny amin’ny Panorama ny alakamisy 17 septambra 2020 fa « tsy hanatrika ny fivoriana izay iantsoan’ny CENI ny alarobia 23 septambra 2020 ».

Ny antony ambaran’izy ireo dia noho ny tsy fanenken’izy ireo intsony ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana na ny (CENI) amin’izao endriny izao.

 

Publié dans Politique

Faly niarahaba an’i Lova Renée tamin’ny nahafahany CEPE izay fanadinam-panjakana voalohany, ny Governoran’ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore.

Nampiantso an’i Lova Renée sy ny Ray aman-dReniny tao amin’ny birao fiasany ny Governora androany tolakandro, nanolotra fanomezana sy fahatsiarovana mba ho mari-pankasitrahana azy; sady nisaotra ihany koa ny ezaka fanentanana ady amin’ny Covid-19 rehetra nataony.

Publié dans Tselatra

Miroso amin’ny fandravana tsikelikely ireo trano miorina tsy ara-dalàna manodidina ny kianjan’i Barikadimy ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina.

Efa nisy ireo ampahan-trano voatery noravàna ny alakamisy lasa teo ary mbola hitohy izany.
Mponina ao anatin’ny velarantany mirefy 24 hekitara no tsy maintsy handao ny toeram-ponenany ato ho ato.

Voalaza fa an’ny fitaleavam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena (DRJS) Atsinanana ny tany izay antsoina hoe : “Hypodrome de Toamasina”.

Tsy milaza mazava ny faritry ny tany tsy maintsy anesorana olona anefa ny tompon'andraikitra.
Ny zava-misy fotsiny dia mandeha tsikelikely ny fanesoran’olona amin’ny tany.

Publié dans Vaovao

Voarohirohy amina fanodinkodinana menaka iray kamio hita tetsy Itaosy izy ireo. Voatonona tamin’ny fanodinkodinana vary milanja 97 taonina ihany koa, ary fanodinkodinana "carreau" sy "matériel sanitaire" mitentina 91 938 800 Ariary tamina orinasa iray teto an-drenivohitra.

Mampiasa anarana fikambanana mpanao asa soa samihafa, ary koa mampiasa seky halatra izy ireo ividianana entana amin'izay olona solokiany.

Saron’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany Voalohany Analakely izy efatra, izay mpivady ny roa, miampy vehivavy lehibe iray sy lehilahy iray.

 

 

Publié dans Tselatra

19/20 no salanisa ambony indrindra tamin’ny fanadinana CEPE 2020 tao amin’ny DREN Bongolava.

Rakotondrainy Fifaliana, 11 taona, Mpianatra ao amin'ny Collège Sainte Marie Tsiroanomandidy, ZAP Tsiroanomandidy, Cisco Tsiroanomandidy no nahazo io salan'isa ambony indrindra io tamin'ity taom-pianarana 2019-2020 ity.

 

Publié dans Sociale

Tanterahina manerana ny Nosy nanomboka ny 21 septambra 2020 ny fanadinam-panjakana BEPC.

Miisa 2 431 ny mpiadina voasoratra anarana hiatrika izany ato amin’ny DREN Betsiboka.

Ivon-toeram-panadinana 8 no nandraisana azy ireo, ary efitrano 94 ; manaja ny fepetra ara-pahasalamana.

13 taona ny zandriolona indrindra amin'ireo mpiadina ireo, ary 23 taona no zokiny indrindra.

Ny taranja Malagasy no nanombohana izany fanadinam-panjakana izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Mpiadina miisa 5 370 no miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ireo CISCO 5 amin’ireo Distrika 5 mandrafitra ny Faritra Menabe.

Mitsinjara amin’ny ivon-teoram-panadinana miisa 22 ireo mpiadina.

11 taona ny zandriny indrindra ao amin’ny Sekoly Tsy miankina Espoir CISCO Mahabo, ary 50 taona ny zokiny indrindra, Candidat libre ao amin’ny CISCO Mahabo ihany.

Ho an’ny fanadinana BEP kosa dia miisa 78 ireo mpiadina amin’ny ivon-toeram-panadinana telo ato amin’ny Faritra Menabe, dia ny ao Morondava, Belo/Tsiribihina ary Miandrivazo, izay ahitana lalam-piofanana roa, dia ny "naval bois" sy "Gestion".

Iraisan’ny mpiadina rehetra manerana ny Nosy ireto fanadinam-panjakana BEPC sy BEP ireto, izay tanterahina ao anatin’ny fanajana tanteraka ireo lamina ara-pidiovana sy ara-pahasalama rehetra amin’ny ady atao amin’ny valanaaretina Covid-19.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Diso fanantenana ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba iray eto Antsirabe raha niverina teny amin’ny toeram-piasany ny alatsinainy maraina satria tapitra ny fe-potoana nolazaina azy ireo fa handehanan’izy ireo « fiatoana ara-teknika », noho ny hamehana ara-pahasalamana.

Telo volana no efa niato tamin’ny asany izy ireo, ka io omaly io no tokony ho tapitra izany, ary nanantena ny hiverina hiasa izy ireo, saingy nambara indray fa tohizana izany « fiatoana ara-teknika » izany, ka amin’ny Janoary 2021 vao ho fantatra ny hoavin’izy ireo na tonga dia hiasa ny tsia.

Publié dans Vaovao

Nanatanteraka ny fianianany teny amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy ny alatsinainy 21 septambra 2020 , ny mpikambana vaovao eo anivon’ny Birao Maharitry ny CENI, Benaivo Andrianaly Narcisse.

Misolotena ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI ny Administratera sivily Benaivo Andrianaly Narcisse.
Handray ny toerana Filoha Lefitry ny CENI ny tenany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2