Filtrer les éléments par date : dimanche, 20 septembre 2020
dimanche, 20 septembre 2020 22:47

No comment décentralisation

Loi des finances rectificatives 2020

Présidence: 210 milliards ariary
Primature: 124 milliards ariary
Sénat: 16 milliards ariary
Assemblée Nationale: 52 milliards ariary
Ministère finance: 2 729 milliards ariary

Gouverneur Faritra: 2 milliard ariary x 22 = 44 milliards ariary pour toutes les régions.

"Nampiakarina 2 miliara ariary, mbola tsy nisy nanao izany hatramin'izay, izany no tena fampandrosoana ny faritra" hoy ny Praiminisitra androany alina tao amin'ny TVM.

Publié dans Politique

Pilo kely: Aza manao lalàna na fepetra tsy azonao ampiharina

Tafandria mandry e
Patrick

Publié dans Pilo kely

May ny sabotsy 19 septambra 2020 tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany alina ny Bloc Amicale II fonenan'ny mpianatra eny Ankatso. Raha ny filazan'ireo nanatri-maso dia « court circuit » no nahatonga ny loza.

Hatreto, 70 ireo mpianatra tsy manan-kialofana sy rava fananana. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy.
Nanampy tamin'ny famonoana ny afo ny avy ao amin'ny sampana mpamonjy voina. Nananosarotra ny famonoana ny afo noho ny tsy fahampian'ny tosika sy fahasarotan'ny fahitana rano.

Publié dans Tselatra

Notontosaina tetsy Ambohijanahary Antananarivo misy ny foibe FITATA ny 19 septambra 2020 ny fankalazana ny Taombaovao iraisan'ny Malagasy. Tamin’ny fomba tsotra ny fankalazana.

Andiany faha-4 izy ity, ankalazaina isaky ny volana septambra, araka ny tapaka nanomboka ny taona 2017.
Any Mahajanga no ivom-pankalazana amin’ny 2021.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

20 septembre: Journée internationale du sport universitaire.

 

Publié dans Fil info

Nampiantso ireo mpampianatra sy ireo lehiben’ny ivontoeram-panadinana miisa enina teto Toamasina, androany, hanamarina ny tahan’ny mpiadina nohafahana CEPE tato amin’ny Cisco Toamasina I.

Notapahana tamin’izany fa 09/20 no ahafahana noho ny olan’ny fampianarana Malagasy nateraky ny Covid-19.

Nahatratra 84,95% ny tahan’ny fahafahana CEPE 2020.
Nisy fiakarany kely ny taham-pahafahana miohatra ny tamin’ny taona 2019 izay nahatratra 83,34%.

 

Publié dans Tselatra

« Afaka CEPE soamantsara », hoy i Lova Fanambinana Renée Annah tamin’ny tambazotra serasera facebook naneho ny hafaliany tamin’ny nahazoany ny diplaoma voalohany eo amin’ny fianarany.

Nivoaka io tolakandro io ny valin'ny fanadinana CEPE 2020 ho an'i Toamasina I. Ao Toamasina rahateo izy no mianatra.

Anisan’ireo olona nanamarika ny ady amin’ny valanaretina coronavirus i Lova Renée araka ny ahafantaran’ny maro azy. Nanao fanentanana ny rehetra hiara-hientana hiady amin'ny fiparitahan'ny coronavirus izy.

« Nahomby ny fanentanana ady amin'ny Covid-19, ary tsy latsaka koa ny fianarana », hoy izy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao amin’ny Fokontany Ankililaly, Kaominina Soahazo, Distrika Toliara II, roa herinandro lasa izay.

Olona roa no namoy ny ainy, ary iray hafa maratra mafy.

Trano iray ihany koa no nodoran’ireo nanafika.

Fantatry ny fianakavian’ny niharam-boina ny telo tamin’ireo dimy nanafika. Voalaza fa mpamerin-keloka ny sasany amin’ireo saingy votsotra hatrany na eo anivon’ny mpanao famotorana na eo anivon’ny Fitsarana.

Mbola nitranga izany tamin’ity fanafihana mitam-basy tao Ankililaly ity, araka ny fitarainan’ny fianakavian’ny niharam-boina dia votsotra ny zoma ny olona nahiahiana ho tompon’antoka raha efa voatana vonjimaika nanomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao