Filtrer les éléments par date : mercredi, 02 septembre 2020

Nitohy tao Fianarantsoa androany ny fanakatonana orinasa AAA, ataon’ny fanjakana.

 

Publié dans Tselatra

Raha nivory ireo mpikambana anatin’ny CMP ny zoma 28 aogositra lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena sy ny alatsinainy 31 aogositra teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, dia niseho hatrany ny tsy fisian’ny fitovian-kevitra teo amin’ny Solombavam-bahoaka sy ny Loholona.

Nanapaka ny Governemanta fa hanao fandinihina fanintelony sady farany ny Antenimieram-pirenena ny 01 septambra 2020.
Rehefa nivory ny Solombavam-bahoaka dia 109 tamin’izy ireo no nandany tsy nasiam-panovana ilay volavolan-dalàna laharana 001/2020.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

La Commission Mixte Paritaire (CMP) a été provoquée par le Gouvernement suite à un désaccord entre l’Assemblée nationale et le Sénat, après deux lectures par chaque Chambre, du Projet de Loi N°001/2020 du 26 février 2020.

Rappelons que ce Projet de Loi est relatif à la ratification de trois Ordonnances : l’Ordonnance relative aux régimes générale des élections et des référendums, de l’Ordonnance relative au fonctionnement du Sénat ainsi qu’aux modalités d’élection et de désignation des Sénateurs de Madagascar, et de l’Ordonnance portant Code minier.

La CMP s’est réunie à deux reprises, le vendredi 28 août à l’Assemblée nationale et le lundi 31 août dans les locaux du Sénat, réunions pendant lesquelles ses membres ne sont pas parvenus à un consensus.

Le Gouvernement a saisi l’Assemblée nationale pour une troisième et dernière lecture dudit projet de loi, lequel a ensuite été adopté à l’unanimité par les Députés.

 

 

Publié dans Politique

Nihaona tamin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Elia Assoumacou Béatrice ireo mpampianatra fanatanjahantena.

Toherin’izy ireo ny fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta ny alarobia 26 aogositra teo momba ny fanafoanana ny adina ara-panatanjahantena amin’ny bakalorea.

Naneho hevitra mikasika izany tamin’ny haino amanjery mbamin’ny gazety ihany koa izy ireo.
Resa-bola mifandraika amin’ny tambikarama (indemnités) no fototry ny fanoherana, araka ny fantatra.

Publié dans Editorial

Ny Antenimierandoholona no nampiatrano ny fivorian’ny Vaomiera iraisana isasahana na « Commission mixte paritaire », ny depiote no nanao tatitra dia nanapa-kevitra ny praiminisitra, ary nolanian’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny ambongadiny ny volavolan-dalàna laharana faha 001/2020, izay nananganana ilay Vaomiera.

Gaga ny rehetra. Fisalovanan’andraikitra sy fandikana fitsipika ankitsirano no nataon’ny tao Tsimbazaza nanao tatitra tamin’ny anaran’ny Vaomiera, hoy ny sasany.

Fanonganam-panjakana tsotra izao, hoy indray ny hafa.

Manoloana ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny Governemanta amin’ny fanohizana ny fandaniana ilay volavolan-dalàna laharana faha 001/2020 dia nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao ny talata 01 septambra 2020.

Publié dans Politique