Filtrer les éléments par date : jeudi, 17 septembre 2020

May kila hotohoton’ny afo ny Ecole Communautaire Bebandro ao amin'ny Kaominina Ambalanirana, Distrika Tsiroanomandidy.

May tao avokoa ireo fitaovan-tsekoly sy entana enti-mampianatra toy ny boky sy kahie ary koa ny dabilio sy ny latabatra.

Ny alin’ny talata 15 septambra 2020 no niseho ny loza, ary doro tanety tsy voafehy no voalaza fa nahatonga ny fahavoazana.

Misy kilasy T1 ka hatramin'ny T4 ity Sekoly ity, ary mahatratra 150 ireo Mpianatra ao.

 

Publié dans Vaovao

Petit à petit, les activités écotouristiques à Andasibe ont repris leur souffle à la suite de la réouverture du parc d’Analamazaotra le 5 septembre dernier.

Les touristes – nationaux et étrangers – sont revenus, même en nombre encore réduit, après six mois de confinement marqués, entre autres, par la fermeture de tous les sites touristiques.

« Nous recevons une trentaine ou quarantaine de clients par jour durant le week-end contre pas plus de 5 touristes par jour durant tout le reste de la semaine », dit un employé de Madagascar National Parks (MNP).

L’agence gouvernementale, qui gère un réseau de 43 parcs nationaux, a décidé de les rouvrir aux visiteurs en faisant appliquer un protocole sanitaire spécifique.

Publié dans Economie

Manohana an’i Madagasikara amin’ny fanafoanana tsikelikely ny entona manimba ny sosona ôzôna ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel).

Lanonana roa sosona no nankalazaina ny faha-16 Septambra 2020 tao amin’ny CNEAGR Nanisana, ka ny voalohany dia ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny sosona anabakabaka ôzôna, ary ny faharoa kosa dia fanolorana ireo fitaovana avy amin’ny ONUDI.

« Ôzôna ho an’ny fiainana » io no lohahevitra nosafidin’ny Firenena Mikambana tamin’ity taona 2020 ity hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana sosona anabakabaka ôzôna.

Publié dans Vaovao

Manodidina ny 1900 ireo Malagasy tavela tany ivelany no efa tafody an-tanindrazana hatramin’ny 15 aogositra. Sidina manokana no nitondra azy ireo nankaty Madagasikara. 

16 tamin’ireo no voamarina fa mitondra tsimok’aretina Covid-19 tamin’ny fitiliana PCR tsy maintsy nataon’izy ireo teo ampahatongavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.

Nihiboka avy hatrany izy ireo vao tonga teto Madagasikara, niandry ny valin’ny fitiliana natao azy ireo. Toerana efatra no nandray azy ireo, ny roa teny Ambatomirahavavy, ny iray teo Ankorondrano.

Mitokana efitra, miantoka sakafo sy saram-piantranoana ireo mpandeha ireo, nandritra ny fihibohana niandrasana ny valin’ny fitiliana PCR natao azy ireo.

 

Publié dans Tselatra