Filtrer les éléments par date : mercredi, 16 septembre 2020

Andrianiaina Hery Dels, dia voatendry ho Talen’ny Hopitaly manarapenitra ao Antsiranana (Centre Hospitalier Universitaire Tanambao Antsiranana).

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany ny didim-panjakana fanendrena azy.

 

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy efatra no indray namoy ny ainy tao anaty tay sy amany tany Ambohimiangaly Ambatondrazaka androany alarobia 16 septambra sahabo ho tamin’ny 9 ora maraina.

Mpirahalahy iray tampoho ny telo.

Nokaramaina nihady lavaka WC mirefy 14 metatra tao amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy izy ireo.
Efa feno ny toeram-pivoahana teo aloha ka io lavaka vaovao 14 metatra io no vahaolana.

Notrobahana mba hifandray ny fanambanin’ny lavaka mba hahafahan’ny maloto mifindra toerana.
Miendrika “vases communicants”, araka ny teny vahiny, izany ny lavaka taloha sy ny vaovao.

Nisy fitaovana hadino anefa tany anaty lavaka ka niezaka nandeha naka azy io ny mpihady lavaka iray.
Efa tafakatra tokony ho 3 metatra teo anefa ny maloto tao ambany.

Publié dans Vaovao

Hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana ny Barea sy ny Burkina Faso ny 5 hatramin'ny 13 oktobra ho avy izao.

Lalao izay hatao any Portugal, tafiditra anatin'ny fampivondronana sy fanomanantena mialoha ny hiatrehantsika ny tohin'ny fifaninanana handraisana anjara amin'ny CAN izao lalao zao.

Ireo mpilalao nantsoina handrafitra ny Barea amin'izany :

Publié dans Sport

Hotanterahina amin’ny 21 septambra 2020 ao amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny lanonana ara-pitsarana hanaovan’i Benaivo Andrianaly Narcisse fihanianana, mialoha ny handraisany ny asany, sy ny toerana ao amin’ny Birao maharitry ny CENI, na Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana.

Benaivo Narcisse no solonten’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI, nandritra ny fifidianana nataon’ireo Solombavambahoaka ny 30 jona 2020 teny amin’ny CCI Ivato.

Niisa 24 ireo kandida nifaninana ho amin’io toeran’ny filoha lefitry ny CENI io, nahitana Administratera sivily, Mpitsara ary koa manamboninahitra miaramila.

Nahazo vato 60 izy raha 93 no isan’ny tonga nifidy.

Publié dans Politique

Tonga nanatitra taratasy fitoriana tetsy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny teo anivon’ny Antenimierandoholona, izay notarihin’ny Loholon’i Madagasikara Rakotovazaha Olivier, Filohan’ny vaomieran’ny lalàna, ny asa-panjakana, ny asa sy lalàna sosialy, androany Alarobia 16 septambra 2020, manoloana ny ambaran’izy ireo fa « tsy fanarahana ny Lalampanorenana mikasika ny didim-panjakana laharana 2020 -1110 nivoaka tamin’ny 09 septambra 2020 mikasika ny fiantsoana ny mpifidy vaventy amin’ny 11 desambra 2020 hifidy ireo Loholon’i Madagasikara, izay noraisin’ny fitondram-panjakana ».

Publié dans A la Une

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Ankarefo Kaominina Anosibefody, Distrika Moramanga, ny alin’ny 13 septambra 2020.

Polisy mivady nanao taingin-droa tamin’ny moto no nifatratra tany anaty hantsana raha niala kamiao. Naratra ilay Polisy nitondra ny moto, namoy ny ainy kosa ilay ramatoa vadiny, 51 taona.

Avy aty Antananarivo hiazo an’i Moramanga izy mivady ireto no izao tra-doza izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao