Filtrer les éléments par date : mardi, 15 septembre 2020

Nanomboka omaly alatsinainy 14 septambra 2020 ny fanadinana ahazoana ny CAP (Certificat d’Aptitude Professionnelle) sy ny CFA (Certificat de Fin d’Apprentissage) ho an'ireo mpiadina 1559 manerana ny nosy.

Miisa 1283 ireo mpiadina miatrika ny CAP ary 276 kosa ny miatrika ny CFA izay mitsinjara ao antin’ny ivo-toeram-panadinana miisa 49 manerana an’i Madagasikara.

Haharitra efatra andro ny CAP, ary telo andro kosa ny CFA.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tontosa androany ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy. Ny Faritanin’i Toliara sy Toamasina no nanakatona tanteraka izany. 

Nizotra ampilaminana ny fanadinana tamin’ny ankapobeny.

Tao amin’ny Faritra Anosy dia nisy 7904 ireo mpiadina voasoratra anarana ; ny 7211 tamin’ireo no tonga nanatrika ny fanadinana CEPE androany, manome taham-pahatongavana 91,23%.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Notoloran’ny Kaominina, tamin’ny alalan’ny Ben'ny tananan’ny Kaominina ambonivohitra Antsiranana Djavojozara Jean Luc, fanomezana ireo mpianatra mendrika, nahazo naoty ambony tamin’ny fanadinana CEPE natao ny 1 septambra 2020 teo.

Telo mianadahy izy ireo dia i Iantso nahazo salanisa 19,5/20 tamin’ny fanadinana CEPE farany teo, Chrishna 19,3/20 ary Anna 19,3/20.

Ho entina hialasasatra any Nosy-Be izy ireo amin'ity faran’ny volana ity.
Nahazo vary 8kg avy ihany koa ny ray aman-dren'izy ireo, miampy « bon d’achat » 200 000 Ariary hividianana kojakojam-pianarana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nitrangana haintrano goavana tao Ankaragnila Kaominina Lokomby, Distrikan'i Manakara androany. Niainga tamina tokantrano iray ny afo ary niitatra tamin’ireo trano manodidina. Trano vitsy sisa niangana fa may kila hotohoton’ny afo ny tanàna sy ny ankamaroan’ny fananan’ny olona.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nitrangana fanafihana mitam-basy taty Toliara androany. Lasan’ny jiolahy ny vola 20 tapitrisa Ariary an’ny orinasa COPEFRITO, lehilahy iray naratra mafy voatifitra.

Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Feno olona, sady tsy misy manaja fepetra ara-pahasalamana, ireo toeram-pilanonana nisokatra tany amin'ny Faritra DIANA, kanefa mbola misy ilay valanaretina Covid-19 any an-toerana.

Nakaton'ny Polisy avokoa ireo toeram-pilanonana miisa 08, ary nampidirina « violon » ireo tompon-trano satria minia mandika ny fepetra hiarovana amin'ny fiparitahan'ilay valanaretina.

Niisa 363 ireo olona nampanaovina asa iombonana, rehefa hitan’ny Polisy fa tsy nanao Arotava.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

15 septembre: Journée internationale de la démocratie.

 

Publié dans Fil info

15 septembre: Journée Internationale pour la liberté de l'instruction.

 

Publié dans Fil info

Un lymphome, aussi plus rigoureusement appelé lymphome malin ou lymphosarcome, est un cancer du système lymphatique qui se développe aux dépens des lymphocytes.

Le système lymphatique est un réseau qui défend le corps contre les maladies. Il comprend les ganglions lymphatiques, la rate, le thymus et la moelle osseuse. Les principaux types de lymphomes sont le lymphome hodgkinien et le lymphome non hodgkinien.

Les symptômes possibles sont un gonflement des ganglions lymphatiques, de la fatigue et une perte de poids.

Le traitement peut comprendre une chimiothérapie, la prise de médicaments, une radiothérapie, et dans de rares cas, une greffe de cellules souches.

 

Publié dans Fil info

Hatao anio Talata 15 Septambra ny fanadinam-panjakana CEPE ato amin’ny Fiadidiam-pampianaran’ny Faritra Atsinanana.

Nanazava ny Governora RAFIDISON Richard Théodore fa nifandrimbonana ny ezaka fanomanana:

•Isaorana ny Fitondram-panjakana nampindrana angidim-by na hélicoptère nanaterana ny laza adina tany amin’ireo ivon-toeram-panadinana any amin’ny Distrika saro-dàlana ato anatin’ny Faritra,

•Isaorana ny OMC nanomana ny lafiny filaminana sy fahalemana,

Publié dans Tselatra