Filtrer les éléments par date : jeudi, 27 août 2020

Notanterahina androany alakamisy 27 aogositra 2020 ny lanonana fanolorana ny mari-pahaizana ireo andiany nahavita fiofanana tao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe.

Andiany telo izy ireo, dia ny andiany mivantana faha-41, ny andiany iraisam-piadiana faha-21, ary ny andiany manokana faha-25 mpianatra ho manamboninahitra mpanamory.

Teo ambany fitarihan'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny Jeneraly Ravalomanana Richard ny lanonana.

(Loharanom-baovao: Fiarovam-pirenena)

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Natomboka androany avy hatrany ny fanalana sy fitaterana ireo fako mivangongo isaky ny Fokontany aty Ambatondrazaka.

Mandray an-tanana izany ny Governoran'ny Faritra Alaotra Mangoro, ho tan-tsoroka amin’ny fiadidina ny tanànan’Ambatondrazaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nanome tohana ara-tsakafo ho an'ireo beantitra ao Moramanga, androany ny hetsika Tantsoroka Covid-19.

Nisitraka tohana ihany koa ireo fianakaviana manana zanaka « autiste » ao an-toerana.

Hetsiky ny fiarahamonim-pirenena ny « Tantsoroka Covid-19 » entina hanaovana Tantsoroka ireo mpitsabo sy vondron'olona tena marefo manoloana ny valanaretina coronavirus.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Voatendry ireo solontenan’ny Antenimeram-pirenena ao anatin’ny Commission Mixte Paritaire (CMP), izay vaomiera hiara-hidinika amin’ny solontenan’ny Antenimierandoholona ny volavolan-dalana laharana 001/2020.

Solombavam-bahoaka miisa 14 no voatendry amin’izany, ka 10 avy amin’ny IRD, 2 avy amin’ny GPR ary 2 avy amin’ny TIM.

Tompon-toerana ny 7 amin’ireo, ary Mpisolotoerana ny 7.

Hametraka ny birao ireo Solombavam-bahoaka ao anaty Vaomiera ireo rahampitso zoma 28 aogositra, ary raha tsy misy ny fiovana dia rahampitso hariva ihany izy ireo dia hiara-hivory amin’ny Solontenan’ny Antenimierandoholona.

Ireto avy izy ireo : (Jereo ny sary)

 

Publié dans Politique

Namoaka an-tsokosoko ireo vy rehetra mandrafitra « Pont Bailey » iray nipetraka tao amin’ny toerana fitobian’entana teny Andohatapenaka ity kolonely iray eo anivon’ny Tafika ity, ary nivarotra izany tamin’ny sandany 20 tapitrisa Ariary teo.

Nanao tatitra mikasika ny famoahana an-tsokosoko ireo vy ireo ny tompon’andraikitra tao amin’ny OTU (Office des Travaux d'Urgence) rantsana teo ambany fiahian’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, saingy efa nofoanana ankehitriny.

Tonga teny amin’ny Fitsarana ny raharaha ary niakatra Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo tamin’ny herinandro lasa iny.

Publié dans Vaovao

Mitohy ny fikarohana ireo voafonja nandositra taorian’ny fahavakisan’ny fonjaben’i Farafangana ny atoandron’ny alahady 23 aogositra 2020 lasa teo. 88 no tafatsoaka, maty voatifitra ny 22. Mbola misy 19 karohina amin’izao fotoana izao.

 

Publié dans Tselatra

Herinandro taorian’ny nanakatonan’ny fanjakana ny Magro Behoririka Antananarivo, dia nakaton’ny fanjakana io tolakandro io ny orinasa AAA, na Magro teo aloha ao Ambodisoanambo-Toamasina, araka ny taratasy nentin'ireo mpiasan'ny sampandraharaha ny hetra sy ny vadintany nanao izany fanakatonana izany.

Antony telo no voalaza fa nanakatonana ny orinasa AAA teto Toamasina, ka isan'izany ny ambaran'ny sampandraharaha ny hetra fa tsy fananany taratasin-ketra araky ny vaninandro, sy ny tsy fahaloavana izany hetra izany ara-potoana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ny fanazavana entina eto dia tsy fiarovana an'iza na iza, fa filazana ireo voarakitry ny contrat de bail emphytéotique, na fifanarahana maharitra nisy teo amin'ny MBS sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Samy manana ny mpiaro azy ireo ka tsy hidirantsika ny ady hifanaovana eny amin'ny tribonaly eo amin'ny roa tonta.

Ny filan-kevitry ny tanànan'Antananarivo renivohitra nivory ny 08mey - 19 mey, fivoriana ara-potoana, natrehan'ny mpanolo-tsaina 75 tamin'ireo 77 mandrafitra ny filan-kevitra, dia nanapaka ny alatsinainy 08 mey 2000, fa ampanofaina maharitra, bail emphytéotique, amin'ny Malagasy Broadcast Systèm (MBS) ny ampahan-tany an'ny Kaominina etsy Anosipatrana antsoina hoe ANDROROSY.

Nanome fahefana ny Ben'ny tanàna ireo mpanolo-tsaina handrafitra ary amoaka fanapahana na arrêté mahakasika izany.

Publié dans Editorial
jeudi, 27 août 2020 13:15

Aza afangaro ny business sy ny sosialy

Izaho olona mpandraharaha, ary tsy misy sentiment na resaka fanampiana ny fandraharahana, le client est roi raha mandoa vola izy, raha tsy mandoa vola dia tribunal, huissier, saisie no resaka.

Le bon compte fait des bons amis en business, tsy midika fa hanao toetra ratsy akory izany, fa mety misy ady varotra, arrangement payement, fa rehefa nifanaraka dia samy mitazona ny teniny.

Zavatra matetika mpitranga ny hoe, niadian'ny client varotra 200 000ar ilay entana na ilay asa, nefa tsy nomenao azy, nefa avy eo entinao restaurant indray izy handanianao 300 000ar, efa resaka samy mpinamana indray iny, na tafiditra amin'ny politique de fidélité gros client.

Ny banky fampindramam-bola dia business fa tsy sosialy, ka aza afangaro ny resaka, raha te hanao asa sosialy dia mitadiava vola dia omeo izay sahirana. Ny olona sahirana tsy ampindramim-bola, satria anampy trotraka ny fahasahiranany izany, fampahantrana azy izany.

Aoka ny orinasa no ampindramim-bola ka hamokatra ampidirany mpiasa miasa, na terena izay orinasa ampindramim-bola tsy akana zana-bola hapakatra ny karaman'ny mpiasany, na ilay zana-bola tsy naloany 15-20% iny ihany aza.

Patrick

Publié dans Economie