Filtrer les éléments par date : lundi, 24 août 2020

Nahitana taolam-paty miisa 80 miaraka amin'ny potipotiny tao Andranovory ambadikiny Stade Municipal Morondava Centre.

Nanome 24 ora ny Kaominina Ambonivohitry Morondava ka rehefa tsy miseho ny tompony io taolam-paty io dia horaisiny ny andraikitra amin'ny fandevenana ireo taolana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nisy fihemorana ka ho tanterahana ny 21 hatramin’ny 24 septambra 2020 ny fanadinana an-tsoratra BEPC sy ny fifaninanana hidirana Seconde, raha toa ka ny 14 ka hatramin’ny 17 septambra 2020 no nambara tapa-bolana lasa.

 

Publié dans Tselatra

Lasa fampiasa matetika ilay teny hoe manarapenitra, hopitaly manarapenitra, lalana manarampenitra, sekoly manarapenitra.

Fenitra inona moa izany ilay arahina, sa rehefa tsara endrika ivelany dia manarapenitra izy izay.

Eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena dia misy fenitra efa voafaritra mialoha isaky ny sehatr'asa tsirairay.
Anisan'izany ny International Organization for Standardization izay mamaritra ny certification ISO.

Io dia fepetra arak'asa voasoratra ary neken'ny sampandraharaha manokana antsoina organisme agréé. Ireo fenitra ireo dia vokatry ny fikarohana sy fandaminana nataon'ny organisme de normalisation ahatsara ny fomba famokarana ohatra, na ahatsara ny fomba fandraisana sy fanomezana fahafahampo ny mpanjifa.

Publié dans Editorial