Filtrer les éléments par date : dimanche, 02 août 2020
dimanche, 02 août 2020 22:34

2 août: Journée mondiale de la bière

2 août: Journée mondiale de la bière.

 

Publié dans Fil info

Andian’olona maro no nidina an-dalambe, nirohotra teny amin’ny biraom-panjakana sady nihorakoraka fa noana ka avelao hivarotra, hiasa hitady izay hohanina. Betsaka no tsy nanao aro-vava, ary tsy voahaja ny elanelana nandritra izany.

Publié dans A la Une

Tokantrano iray tao Bekapika Fokontany Amparihibe, Kaominina Fihaonana, Distrika Tsiroanomandidy notafihin’ny jiolahy mitam-basy. Tafatsoaka anefa ny tompontrano, ka afaka niantso vonjy.

Nifanome tanana ny Fokonolona nampian’ny Zandary nanenjika ireo jiolahy. Voasambotra ny iray, tafatsoaka kosa ny roa.

Teny an-dalana hanoro ny toerana misy ireo roalahy nitsoaka ilay jiolahy voasambotra no nanararaotra nitsoaka tao anaty haizina sy oran’andro. Nanapoaka basy ny Zandary hampijanonana azy saingy nanao anjolofo ilay jiolahy ka maty voatifitra.

Raindahiny amin’ny halatr’omby sy vaky trano ity farany.

 

Publié dans Tselatra

Faritra anisany ahitana tranga Covid-19 i SAVA. Miisa 18 izany tao anatin’ny tapa-bolana, teo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 31 jolay 2020. Sitrana ny 2 tamin’ireo, mbola manaraka fitsaboaka kosa ny 16, ka any an-tranony ny 6 amin’ireo, raha any amin’ny hopitaly kosa ny 10.

Tsy nisy namoy ny ainy, misy 54 kosa ireo tranga mampiahiahy miandry valim-pitiliana.

 

Publié dans Tselatra

Six femmes ministres contre 17 hommes composent actuellement le gouvernement Christian Ntsay. Le pourcentage de femmes élues maires en novembre 2019 a encore régressé pour passer de 5% à 3% selon les statistiques officieuses.

Ainsi, trois hommes viennent s'ajouter aux 14 hommes précédemment nommés gouverneurs, ce qui confirme cette tendance à écarter les femmes des postes de responsabilité.

A Madagascar, la représentation des femmes aux postes de décision reste à renforcer. Le Conseil National des Femmes de Madagascar (CNFM) souhaite une politique plus volontariste d’égale représentation des femmes et des hommes à Madagascar.

La nomination de femmes aux cinq postes de gouverneurs qui restent à pourvoir pourrait constituer un premier geste fort dans ce sens.

Le CNFM lance un appel au gouvernement Malagasy sur la nécessité de la mise en application du Protocole de la SADC sur le Genre et le Développement, censé justement « prévoir la responsabilisation des femmes, éliminer la discrimination et réaliser l'égalité et l'équité entre les hommes et les femmes par le biais du développement ».

 

Publié dans Politique

Niampita tampoka ny arabe ilay mpitondra bisikilety no voadonan’ny kamiao mpitondra solika. Maty tsy tradrano ilay rangahy mpitondra bisikilety, 45 taona, nivadika ambony ambany ilay kamiao.

Teo amin’ny sampanana Tsianivoa Kaominina Amborobe, Distrika Vohipeno, amin’ny lalam-pirenena faha-12 no nitranga ny loza, ny tolakandron’ny 29 jolay teo.

Nitondra gazoala sy solitany 11 000 litatra avy Manakara, haterina any Farafangana ilay kamiao tra-doza. Ny mpamily irery no tao anatiny, izay naratra mafy ihany koa, ary nalefa notsaboina tao amin’ny hopitaliben’i Manakara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao