Filtrer les éléments par date : mercredi, 08 juillet 2020
mercredi, 08 juillet 2020 15:50

Aides détournées: une controverse ?

Dans un document, datant du mois de février 2020, de 45 pages intitulé « L'aide financière accaparée par les élites » dans lequel cet étude « prétend » qu’environ 5% de l’aide financière fournie par la Banque mondiale à 22 pays se retrouvent dans des paradis fiscaux.

Dans ces 22 pays les plus dépendants de l’assistance financière "l’aide financière est accaparée par les élites" et part vers des paradis fiscaux !

L’étude fait grand bruit car elle sort des services même de la Banque mondiale. Selon certains médias dont the Economist, sa publication a été retardée, "bloquée par des hauts responsables".

« Faux » rétorque l’institution, le retard est lié à une relecture et à l’apport d’autres éléments d’analyse. "Chaque publication fait l’objet d’un examen approfondi pour assurer sa qualité", précise la Banque mondiale dans un communiqué du 18 février 2020 où l’institution de Bretton Woods réaffirme ses objectifs de « soutenir de meilleurs résultats nationaux pour les pauvres et les vulnérables … Ainsi que… Nous soutenons pleinement le travail de notre département de recherche pour générer des recherches indépendantes, pertinentes et évaluées par des pairs, y compris sur le sujet important des flux financiers illicites.

Publié dans Editorial

Loholona sy mpiara-miasa ao amin’ny Antenimierandoholona Anosikely miisa 75 no natao fitiliana Covid-19 androany alarobia 8 jolay 2020. Tonga teo amin’ny Lapa maitso Anosikely ireo mpiasan’ny fahasalamana nanao ny fakana singa mikasika izany.

« Hanampy ny tsirairay hafantatra ny toe-pahasalamany izao », hoy i Rivo Rakotovao, filohan’ny Antenimierandoholona.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Namoaka taratasy fampahafantarana ny rehetra ny Sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny talata 07 Jolay 2020 mandiso « ny vaovao tsy marina sy ny fanakorontanana ny saim-bahoaka » niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy sy ny tranokalam-pifandraisana. Manambara ny Fiadidiana ny Repoblika fa « salama tsara ary tsy mitondra ny otrikaretina coronavirus velively ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina ».

« Tsy nivoaka ivelan’i Madagasikara izy hatramin’ny fiandohan’ny krizy ara-pahasalamana ka hatramin’izao, fa miara-miatrika ny olana ary eo anilan’ny vahoaka Malagasy hatrany », hoy ny fampahafantarana an-taratasy naparitaka tamin’ny mpanao gazety.

Publié dans Politique

Tontosa ny talata 7 jolay 2020 tao ISINGO, Toliara-II, Faritra Atsimo Andrefana ny fanitrihana ny nofo mangatsiakan'i Dr Rakotovahiny Emmanuel.

Ny 01 jolay 2020 izy no nindaosin’ny fahafatesana tao Antananarivo teo amin'ny faha-81 taonany.

Praminisitra (1995 – 1996) tamin’ny fitondran'ny Filoham-pirenena Zafy Albert i Dr Rakotovahiny Emmanuel. Filoha mpiara-nitantana ny tetezamita, avy amin’ny Ankolafy Zafy Abert, nanomboka ny aogositra 2009 ka niara-nitondra tamin'i Fetison Rakoto Andrianirina, avy amin'ny Ankolafy Ravalomanana, sy Andry Rajoelina, izay lasa Filoham-pirenena ankehitriny.

Filoha nasionalin’ny antoko UNDD izy, ary filoha lefitry ny CRN ihany koa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nangataka ireo Ben’ny tanàna maro mba haroso ny 8 jolay 2020 ny hisokafan’ny taom-piotazana lavanila amin’ny manamorona ny morontsiraka na « zone littorale » any Analanjirofo, tsy miova fa notazomina ny datin’ny 15 jolay 2020 araka ny voafaritra amin’ny didim-pitondrana iraisan’ny ministera laharana faha-9734 tamin’ny 20 may 2020 navoakan’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, niaraka tamin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.

 

Publié dans Economie

Namoy ny ainy ny talata 7 jolay 2020 i Rakotomalala Lucien, solombavambahoaka IRD voafidy tao amin’ny Distrika Morombe, Faritra Atsimo Andrefana. Nanana areti-mitaiza sohika ity parlemantera ity. Tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana no nitsaboana azy. Talohan’ny nifaranan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena izy no efa tsy salama, ary tsy tonga niatrika fivoriana intsony.

Publié dans A la Une