Filtrer les éléments par date : samedi, 04 juillet 2020

Resy lahatra ny rehetra fa arakaraky ny mahaingana ny fitiliana ireo mitondra ny tsimokaretina Covid-19 no ahafahana manoka-monina na mitsabo aingana ireny olona voa ireny.

Mananosarotra anefa ny fanaovana fitiliana, ary izay voatily ka tsy mitondra aretina androany, mety rahampitso ihany dia efa misy indray, eny na ireo efa sitrana aza dia mety mbola hiverenany.

Ny cancer na homamiadan'ny nono, prostate, colon dia manampy betsaka ny alika, ary nahitam-bokatra 90% ny fitiliana ataon'ny alika.

Misy karazan'alika tokoa tena manana talenta mamantatra fofona maromaro, ary hainy ny manavaka izany. Efa mahazatra antsika ohatra ny mahita alika mpitsongo dia, izay ampiasain'ny Zandary mitady mpangalatra nandalo teo amin'ny toerana iray, ampiasaina hikaroka vola anaty entana eny amin'ny seranam-piaramanidina, ampiasaina hitady zava-mahadomelina, ampiasaina hitady baomba.

Publié dans Sociale
samedi, 04 juillet 2020 11:04

Covid-19: Tsy toa teny ve ny mpitondra?

Manomboka miakatra ireo tarehi-marika momba ny isan'ny marary sy maty vokatry ny valan'aretina Covid-19. Mitombo arak'izany ihany koa ny tebiteby eo amin'ny fiaraha-monina.

Ny zava-misy anefa, izay ambaran'ny mpitondra, na izay fandaminana apetrany, izay tsy maintsy maka safidy izy, dia toa lavin'ny fijerin'ny olona avokoa. Ampiasaina ny mpitandro ny filaminana hampihatra ireo lamina sy toromarika apetraka, fa toa raisin'ny olona ho hery famoretana.

Atao avokoa ireo fanentanana, maro no mahita izany, fa toa samy mahita alaolana tsy ahafahana mampihatra izany avokoa.

Zaraina ny takom-bava, milaza ho sempotra, asaina misasa tanana, milaza tsy misy rano sy savony, asaina mihiboka, tsy misy ny hanin-kohanina ka tsy maintsy mivoaka mitady, zaraina ny vary, ny harona no alahatra misy elanelany 1m fa ny mpilahatra mitangorona, zaraina ny vola fanampiny, tsy ampy ho an'ny maro.

Publié dans Editorial

Nahazo loharonom-baovao ny Zandary fa misy fiara mitondra zazavavy marary mampiahiahy lasa nianatsimo nanaraka ny lalam-pirenena faha-7 miazo an’i Toliara. Nanetsika ny olony nanamafy ny fanaraha-maso teny amin’ny sakana « barrage sanitaire » ny Zandary. Tratra teo amin’ny sakana teo Sakaraha ilay fiara, ny zoma 3 jolay, saingy efa maty ilay vehivavy, 28 taona.

Tonga nanao fizahana sy fanamarinana izany ny mpikambana rehetra ao amin’ny foibem-pibaikoana Covid-19 na CCO Sakaraha. Araka ny toromarika avy tamin’ny CCO Toliara dia na miverina any Antananarivo ny razana na tsy maintsy alevina ao Sakaraha, ary ny olona rehetra tao anatin’io fiara io dia miverina any Antananarivo avokoa, fa tsy mahazo miditra an’i Toliara.

Publié dans Vaovao
samedi, 04 juillet 2020 08:44

4 juillet: Fête nationale des États-Unis

Le Jour de l’Indépendance est la fête nationale des États-Unis commémorant la Déclaration d'indépendance du 4 juillet 1776, vis-à-vis de la Grande-Bretagne.

 

Publié dans Fil info

4 juillet: Journée internationale des coopératives.

 

Publié dans Fil info
samedi, 04 juillet 2020 08:40

4 juillet: Journée mondiale du naturisme

4 juillet: Journée mondiale du naturisme.

 

Publié dans Fil info