Filtrer les éléments par date : dimanche, 12 juillet 2020

Araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety io hariva io, dia nisy 11 tamin’ireo solombavam-bahoaka sy mpiara-miasa natao fitiliana teny amin’ny CCI Ivato ny andro nifaran’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany ny Antenimieram-pirenena no voamarina fa nitondra tsimok’aretina Covid-19.

 

Publié dans Tselatra

Nahazo arotava miisa 4 000 ireo mpiasan'ny fahasalamana lohalaharana amin’ny ady atao amin’ny Covid-19 ao Toliara sy Moramanga.

Ity fanomezana ity dia fanampin’ny famatsiam-bola mitentina 2,5 tapitrisa dolara natolotr’i Etazonia hanohanana ny ady ataon’ny fanjakana malagasy amin'ny Covid-19, sy ny vola 2,2 tapitrisa dolara nalaina avy amin’ny tetikasan’ny USAID izay efa voalahatra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana iadiana amin’ny valan'aretina coronavirus.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Antenimierandoholona: Mitondra Covid-19 ny 14 tamin’ireo 75 natao fitiliana

 

Publié dans Tselatra

Teo Atsinanantsena-Antsirabe no nitranga ny loza ny tolakandron’ity Alahady 12 jolay ity. Tsy nisy olona tao an-trano, izay misy rihana iray, tamin’ny fotoana niatombohan’ny afo.

Nifanome tanana ny manodidina namono ny afo. Tsy mbola manana mpamonjy voina ny tanànan'Antsirabe.

Nitangorona ny olona, tsy voahaja ny elanelana na eo aza ny valanaretina Coronavirus.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tontosa ny harivan’ity Alahady 12 jolay ity, teo an-tokontanin’ny FLM Ambatovinaky – Antananarivo ny fandevenana ny nofomangatsiakan’i Pastora Dr. Rakotonirina David, Filoha FLM sady Filoha FFPM sy FFKM.

Nisy fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra notontosaina tao an-toerana nialoha ny nanitrihana ny razana.

Nindaosin’ny fahafatesana ny alin’ny sabotsy 11 jolay tao amin’ny Polyclinique Ilafy, nitsaboana azy i Pastora Dr. Rakotonirina David.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Mampatsiaro ny fanapahan-kevitra efa noraisina tamin'ny Filan-kevitry ny minisitra ny 04 jolay 2020 ny eo anivon'ny ministeran'ny varotra, fa tsy misy varotra na indostria mahazo misokatra, ankoatr'ireo mivarotra sakafo sy kojakoja na fitaovana iadiana amin'ny Covid-19.

Ferana hatramin'ny 12ora atoandro ihany anefa izany, ankoatran'ny fivarotana fanafody na solika.

Izao fepetra izao dia manan-kery hatramin'ny alahady 19 jolay 2020 ho an'Analamanga.

 

Publié dans Tselatra

Namoaka naoty ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) fa ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana eto Analamanga dia ferana hatramin'ny 6ora hariva ihany ny famarotana solika eny amin'ny tobim-paninjara solika.

Ferana hatramin'ny 12ora atoandro kosa ny azahoana misitraka ireo asa fikojakojana fiara, famarotana piesy fiara, famarotana entana ilaina amin'ny fiainana andavan'andro, fitaovana na entana iadiana amin'ny Covid-19.

Tsy azo atao kosa ny mivarotra na manao asa ankoatr'ireo efa voatanisa ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Sambany no nahitana ny filoha amerikana Donald Trump nanao aro-tava fiarovana amin’ny Covid-19. Niaraka tamin’ireo mpanolontsainy vitsivitsy nitsidika ireo mpiady tranainy tsaboina ao amn’ny hopitaly miaramila Walter Reed ao Washington no nahitana azy ireo nanao aro-tava ny sabotsy 11 jolay 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra