Filtrer les éléments par date : samedi, 11 juillet 2020
samedi, 11 juillet 2020 23:10

CCO: Nafindra eny amin'ny CCI Ivato

Re izao fa nafindra eny amin'ny CCI Ivato ny Foibe fibaikoana momba ny Coronavirus.

Niala tao amin'ny Mining Business Center Ivato izay nisy azy teo aloha rehefa natsangana ao ny "Centre de Traitement Covid-19" na CTC-19.

 

Publié dans Tselatra

Nodimandry tokony tamin'ny 9ora alina teo ny sabotsy 11 jolay 2020 ny filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy na FLM, sady Filoha amperinasan'ny FFKM, teny amin'ny Polyclinique Ilafy.

 

Publié dans A la Une

Voatendry ho Tale misahana ny «Veille Sanitaire, de la Surveillance Épidémiologique et Riposte» Docteur Vololoniaina Nivoarisoa Manuella Christophère.

Voatendry ho Tale miandraikitra ny « Transfusion Sanguine » Docteur Hanitriniala Sahondranirina Paquerette.

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 11 Jolay 2020 ny didim-panjakana fanendrena ireo tomponandraikitra vaovao ireo.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 11 juillet 2020 21:50

CHU Andohatapenaka: Nosoloina ny Tale

Notendrena ho Tale miandraikitra ny « Centre Hospitalier Universitaire » na CHU Andohatapenaka i Profesora Raveloson Nasolotsiry Enintsoa. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany ny didim-panjakana fanendrena azy. Izy no misolo toerana an’i Profesora Lova Randriamanantsoa.

 

Publié dans Tselatra

Misy olona 04 voamarina fa mitondra ny valan'aretina coronavirus (positif) ato amin'ny Faritra Menabe araka ny tatitra nataon’ny foibem-pibaikoana na CRCO Menabe androany sabotsy 11 jolay.

Eto Morondava ny telo amin’ireo mitondra ny Covid-19 ireo, ary ao Miandrivazo ny iray.

Efa raisina an-tanana eny amin'ny hopitaly Manarampenitra avokoa ny fahasalaman'ireo olona telo eto Morondava ireo, ary any amin'ny hopitaly any Miandrivazo ny iray.

Publié dans Tselatra

Nindaosin’ny fahafatesana androany sabotsy 11 jolay tao Ambanja i Donty Jean-Baptiste. Nanao fanambaràna manamafy io vaovao io ny filohan’ny FITEFA (Fikambanan'ny teraky ny faritany Antsiranana), Bekasy Johnfrince.

Publié dans A la Une

Taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, araka ny fahefana nomen’ny Filoham-pirenena azy, tamin’ireo Filohana Andrimpanjakana telo eto amin’ny firenena dia ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana, dia nandray izao didim-panjakana manaraka izao :

Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « Fahamehana ara-pahasalamana» (Etat d’urgence sanitaire) manomboka androany 11 Jolay 2020 ary mihatra avy hatrany.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 11 juillet 2020 16:13

Covid-19: Tsy dortoir no ilaina fa hopitaly

Nosokafana nanomboka ny zoma 10 jolay ny toerana andraisana ireo marary "cas grave" ao amin'ny foiben-toerana fibaikoana CCO Ivato.

Tonga nitokana izany ny Filoham-pirenena mivady, ny Praiminisitra, ny minisitry ny fahasalamana, ary ireo minisitra sasantsasany ao amin'ny Governemanta.

Nanambara ny Filoham-pirenena fa noho ny avitsian'ireo mpitsabo mahay momba ity valanaretina ity, dia atao amin'ny toerana iray ny fandraisana ireo marary, ka mahazaka 400 fandriana ny ao amin'ny CCO Ivato, 300 vao hosakafana LTC Alarobia, ary 300 etsy Mahamasina annexe Palais des sports.

Nanambara izy fa "Gouverner c'est prévoir", izany hoe ny fitantanana dia mahay mitsinjo mialoha ny zavatra mety hitranga. Tao anatin'izany izy dia nilaza fa anafatra extracteur d'oxygène 1000, ary nanolotra ihany koa ireo ambulance izay efa misy an'izay extracteur d'oxygène izay hakana ireo marary any an-tranony.

Tsy misy maharatsy ny fepetra raisina.

Publié dans Editorial

Marary aty Fenoarivo-Atsinanana ny mpanakanto Michel Patrick. Misy fery ny tongony ka mitarika fanaintainana amin’ny vatany manontolo. Efa lany tamin’ny fitsaboana ny teo am-pelatanana. Talohan’ny fetim-pirenena no efa namparary azy.

Nitsangana nanampy azy ny Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina aty Analanjirofo. Nisy ny fampilazana natao teto amin’ny facebook milaza ny tsy fahasalamany. Manomboka tonga ireo fanampiana, na avy eto an-toerana na avy any ivelany, ho fanampiana azy amin’ny fitsaboana. Manomboka maro no mahatsapa fa tsy tokony atao maty vao ramalala ireo mpanakanto fa dieny mbola velona dia tokona ampiana.

Publié dans Art et Culture

Nahery vaika ny hetsi-bahoaka tao Bamako renivohitr'i Mali, ny zoma 10 jolay, mitaky ny fialan’ny filoha Ibrahim Boubacar Keïta noho ny tsy fahombiazany. Nisy ny fifandonana teo amin’ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana. Nisy maty, maro ireo naratra.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2