Filtrer les éléments par date : vendredi, 10 juillet 2020

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 10 jolay 2020 ny « Centre de Traitement Covid-19 » na CTC-19 etsy amin’ny Mining Business Center Ivato. Tonga nijery izany teny an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina mivady sy ny mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Afaka mandray marary eo amin’ny 400 ity CTC-19 ity, ary natokana ho an’ireo marary ahitana ny soritr’aretina Coronavirus, fa indrindra ireo “formes graves”. Misy mpiasan’ny fahalasamana miisa eo amin’ny 55 ihany koa ao an-toerana hanatanteraka ny fandraisana an-tanana ireo marary.

Nanambara ny Filoham-pirenena fa hisokatra tsy ho ela ny ivon-toerana tahaka ity ao amin’ny LTP Alarobia sy eny amin’ny « bâtiment annexe » lapan’ny Fanatajahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Ireo ivon-toerana ireo moa dia afaka handray olona marary miisa eo amin’ny 300 avy.

Publié dans Sociale
vendredi, 10 juillet 2020 15:50

Paul Rabary: Voan’ny Covid-19

Nanambara tamin’ny facebook i Paul Rabary, androany, fa voan’ny Covid-19. Kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 izy, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo ary minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha.

Taorian’ny Pr Lalatiana Andriamanarivo dia i Paul Rabary no minisitra teo aloha, tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina, sahy nijoro vavolombelona sy nanambara ho fantatry ny besinimaro fa voan’ny Covid-19.

 

Publié dans Tselatra

Nanamarika ny sain'ny maro ny tatitra nataon'ny Banky iraisam-pirenena fa arakaraky ny fahamaroan'ny fanampiana omena, indrindra ireo firenena afrikanina dia miakatra ihany koa ny vola mirotsaka any amin'ny banky mipetraka any amin'ireo Paradis fiscal, anisan'ny voatonona tao anatin'izany Madagasikara.

Ny tiantsika azavaina eto dia inona marina moa izany Paradis fiscal izany.

Raha atao tsotsotra dia hoe "Paradisa ara-ketra".

Ny firenena rehetra maneran-tany dia mivelona amin'ny hetra na vola aloan'ny mponina ao aminy, toy ny latsakemboka izany, ampandehanana ny raharaham-pirenena, andoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana, anefana ny fampandehanan-draharaha, ampandehanana ny sekoly, ny hopitaly, ny fandriam-pahalemanana, fanamboarana fotodrafitrasa, toy ny lalana, ny sekoly, seranam-piaramanidina, barazy, fambolena...

Publié dans Editorial

Tontosaina amin’izao fotoana izao ny fanokafana ny CTC-19 na Centre de Traitement Covid-19 eo amin’ny Foiben-toeran’ny Foibem-pibaikoana ny Covid-19 na CCO Ivato.

Mitarika ny lanonana eny an-toerana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

Publié dans Tselatra

10 juillet: Journée mondiale des "femmes sans voiles".

 

Publié dans Fil info